Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5971.
Vorona azon'adala, na tsy maty aza mifohafoha volo
jentilisa
5972.
Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
jentilisa
5973.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga
jentilisa
5974.
ny toky fitaka, ny atao no hita
jentilisa
5975.
ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany.
jentilisa
5976.
ny tapany ihany no mikobana
jentilisa
5977.
Vilany misarona ka toa misy hena ihany
jentilisa
5978.
Mifankatia tsy mifamarafara ka ady no iafarany
jentilisa
5979.
Lany hena alohan'ny olona ka ny nify no aolanolana
ftma
5980.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
5981.
Izay iray vatsy iray aina
ftma
5982.
Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
ftma
5983.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana.
ftma
5984.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
5985.
Tompo-trano mihono
jentilisa
5986.
arakara-tarehy voa-javatra
jentilisa
5987.
Aza miteny lango imason'ny vary
jentilisa
5988.
lasan-ko vavany toa haron-tabebaka
jentilisa
5989.
ny kely no manaiky manaiky amin-tahotra; ny lehibe no manaiky manaiky amin-kenatra
jentilisa
5990.
mpitadi-bato tsy mihoraka very ny androatokon'aina. ary mifankatia tsy miresaka very ny androatokom-pitiavana
jentilisa
5991.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
5992.
fisaka ny rariny ka saro-tadiavina
jentilisa
5993.
ny hevitry ny vitsy manodidina ny fatana fa ny hevitry ny maro mahatakatra ny lanitra
jentilisa
5994.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
5995.
mivezivezy toy ny firaka atakalo
jentilisa
5996.
mpitabi-bato vilam-bava, hafa ny tondroin'ny vava moa hafa ny tondroin'ny tanana
jentilisa
5997.
aza mandrora mitsilany ka hahavoa tena
jentilisa
5998.
rendrika vao nahazo amalona
jentilisa
5999.
horakoraka ny an'ny sahona fa ny tsiboboka no tompon'ny rano
jentilisa
6000.
Alahelo tsy ambara havana, zakan'ny tompony ihany
DIDIH
Voalohany
Mialoha
198
199
200
201
202
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0256