Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe añy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
añy
Hampiditra ohabolana
661.
Ny tiana ihany no hanarina ary ny adalan'ny tena tafiam-boridamba fa ny adalan'ny olona hihomehezana.
niryna
662.
Fa anatra tsara omeko anareo, aza mahafoy ny lalako fa zanak'ikaky aho sady tiana no hany malala teo imason'i neny
niryna
663.
Ny fanirian'ny malaina ahafaty azy satria ny tanany tsy miasa tsinona
niryna
664.
Ny mitia ny asa ataonao no fanalahidin'ny fahombiazana voalohany indrindra
niryna
665.
Mody hoe tsy miady tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany
niryna
666.
Hazavao amin'ny jironao androany ny fiainanao rahampitso
niryna
667.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
668.
Mande-tany ka tsy maintsy lena, miloloha lanitra ka tsy maintsy may
niryna
669.
Raha miady izay sy ny azy, tsy ahaleo ny naterany
niryna
670.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no heriny
niryna
671.
Tia ady ka lany harena
niryna
672.
Na ny adala aza no tsy miteny dia toa hendry ihany
niryna
673.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
niryna
674.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
675.
Fa ataovy fitia tantely, tiana ihany fa tsy mba atelina
niryna
676.
Aza mijery tany avo avaratra
niryna
677.
Miriorio toy ny angidina kanefa any an-kady ihany no ihafarany
niryna
678.
Aza mijery tany avo avaratra
niryna
679.
Ny vorona iray eo an-tanana tsara lavitra noho ny vorona roa any an-tsaha
niryna
680.
Aza atao fitia vatomamy, tiana ihany fa hanina sy levonina.
ilanto
681.
Mpianatra kamo mamaky boky, koa mionona amin'ny kely azo tany am-pianarana.
ilanto
682.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
683.
Mpamboly mahavokatra tsy mahay mitantana, koa mandadilady hila hanina any amin'ny mpanao mangazay.
ilanto
684.
Radio lany vato, mangina no sisa anjarany.
ilanto
685.
Fiara lany lasantsy, ka na te handroso aza tsy afaka intsony.
ilanto
686.
Adala nomen-dasiray, herinandro mitsinjaka ihany.
ilanto
687.
Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
niryna
688.
Mandiha tany isika, miloloha lanitra, mandinihy rehefa miteny, mijere voa mamindra.
niryna
689.
Zaro amin'ny lalana izay tokony alehany ny zaza ka na lehibe aza izy tsy hiala aminy
niryna
690.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
Voalohany
Mialoha
21
22
23
24
25
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0491