Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
691.
Ny any am-pon'ny vilany, tsy any am-pon'ny siny.
aivetinakely
692.
Ny alahelon-dehilahy tsy mihoatra ny herinandro, ny alahelom-behivavy mihoatra ny tapa-bolana.
aivetinakely
693.
Kabarin-tsaka ka ny tso-drano no be.
aivetinakely
694.
Voky maraina tahaka ny omby hamidy.
aivetinakely
695.
Mason-tsora ny fananana, ka ny kely ananana no ahiratra.
aivetinakely
696.
Maka volon-tany tahaka ny trandraka milevina an-tanimena.
aivetinakely
697.
Ny anambadian-kiadanana, ny iterahan-ko sambatra.
aivetinakely
698.
Ny anambadian-kiterahana, ny iterahan-ko dimby.
aivetinakely
699.
Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
aivetinakely
700.
Zaza teraka alina, hafa ny ao ampony hafa ny ao ampoko.
aivetinakely
701.
Mpirahalahy mian'ala, izy tokiko, izaho tokiny.
aivetinakely
702.
Mpirahalahy mizara dian'omby, tsy vaky fa mitriatra.
aivetinakely
703.
Manan-joky afaka olan-teny, mana-jandry afaka olan'entana.
aivetinakely
704.
Aza mitono tena tahaka ny lolofotsy.
aivetinakely
705.
Havan-tiana tsy iaraha-monina.
aivetinakely
706.
Tantely amam-bahona ny fiainana.
aivetinakely
707.
Raha sery vitan'ny anamalaho, aza amonoana vatotr'akoho.
aivetinakely
708.
Aza mifanipaka anatiny tahaka ny valala an-karona.
aivetinakely
709.
Nahita ny akanga tsara soratra ka nanary ny akoho tamàn-trano
aivetinakely
710.
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho.
aivetinakely
711.
Aza mivezivezy toa firaka atakalo
aivetinakely
712.
Aza manao toy ny veromanitra, mangiloilo fa mora tapaka.
aivetinakely
713.
Tantely afa-drakotra ka anjakàn'ny adala.
aivetinakely
714.
Matin-kaninkely toa amalona.
aivetinakely
715.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba.
aivetinakely
716.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
717.
Manaova tahaka ny tsintsina, kely ihany fa mitombandahy.
aivetinakely
718.
Ataovy tanin-dreniomby sady mimà no mirao-bilona.
aivetinakely
719.
Aza manao lelan'omby sady ambava no am-body.
aivetinakely
720.
Kalalao matin-dronono, ka matin-draha tiana.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
22
23
24
25
26
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0137