Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
751.
Rafotsibe mitahiry fanànana, eran'ambatry ka atao telo fonosana.
aivetinakely
752.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsetsetra, toy izay hena kisoa arahin-dromoromo.
aivetinakely
753.
Naniraka amalona hantsaka, afoizo fa tonga an-tanindrazany.
aivetinakely
754.
Hariharina tahaka ny varin'amboa mahamay.
aivetinakely
755.
Saho-bakàka nanani-driana, ny fe lava misy hitsambikina, fa ny hery hanosika no tsy ampy.
aivetinakely
756.
Androngo nangataka ka ny mody no ady.
aivetinakely
757.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
758.
Miharihary tahaka ny kary am-pamoloana.
aivetinakely
759.
Ataovy arak'ombin'ilay mora, afara voatoditodika, aloha voasafosafo.
aivetinakely
760.
Zaza tamà-miondan-tsandry ny anay ka mikohaka raha mionda-mololo.
aivetinakely
761.
Aza miriorio amin-karona fa ny taina-omby ao ambala.
aivetinakely
762.
Raha vazo mitovy, aza mita lohasaha.
aivetinakely
763.
Ny voninahitra omena an-tsobika, aza atao am-patam-bary.
aivetinakely
764.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary.
aivetinakely
765.
Terak'omby fahavaratra, sady lalao no harena.
aivetinakely
766.
Aza manao toy ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
767.
Izay lany harena lany haingo.
aivetinakely
768.
Na maika tahaka ny inona aza, tsy fanao ny mitsako alohan'ny vazana, na matory alohan'ny tsihy.
aivetinakely
769.
Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo.
aivetinakely
770.
Aza ny hafa ni ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly.
aivetinakely
771.
Mahita anay lavin-kavana ka miady mena masoandro.
aivetinakely
772.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
773.
Aza manao hantan-kankana ka tapaka eo am-piolinkolehana.
aivetinakely
774.
Izay tonga aloha mamira ny mahitsy, izay mandry aloha mamàna ny tsihy.
aivetinakely
775.
Tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato.
aivetinakely
776.
Ny takatra no fisa-doha, matory amorom-parihy, ny vano no lava tenda, maditra olom-pehezina, ny tsintsina no kely fingo, ny isandahy no tsy zaka.
aivetinakely
777.
TEny diso tsy mba kabary.
aivetinakely
778.
Loza ho andRakalamomba fa misambo-balala ho an-janak'olona.
aivetinakely
779.
Sasa lamban'Antananarivo, aleo rovitra toy izay tsy hadio.
aivetinakely
780.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana fahavaratra.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
24
25
26
27
28
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0142