Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
721.
Aza matoky saka fa trondro ny laoka.
aivetinakely
722.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
723.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
724.
Very anjevony tahaka ny tsifoky ny mpifàna.
aivetinakely
725.
Tsara madin'ny mpifàna, ny pia no manaikitra.
aivetinakely
726.
Miady irery tahaka ny mpiteraka.
aivetinakely
727.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana.
aivetinakely
728.
Nantanain-kanirina, hay vao maika namandravandra.
aivetinakely
729.
Saka fozan'ilay monga, vao maika manosika azy any an-davaka.
aivetinakely
730.
Androngo am-perin'asa, ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
aivetinakely
731.
Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana.
aivetinakely
732.
Izay tsy tia ray aman-dreny no mitsipa-doha laka-nitàna.
aivetinakely
733.
Aza malahelo maty voalavo, fa ny any an-tsaha mbola be ny ho avy.
aivetinakely
734.
Maniry manitra tahaka ny saka miravaka hoditra.
aivetinakely
735.
Hena an-tànan-tsaka ka afoizo fa antànan-tompony.
aivetinakely
736.
Aza atao fihavana-molotra ka tezitra vao mifanatona.
aivetinakely
737.
Aza mahidy toa mpivaro-tantely ka ny tompony indray no milela-tànana.
aivetinakely
738.
Goaika mangala-katsaka ka izay mivoaka dadany avokoa.
aivetinakely
739.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina
aivetinakely
740.
Tantely tapa-pata, ny fo no enti-mameno.
aivetinakely
741.
Sambo-balala main'andro, ny tsy azoko androany, hoazoko rahampitso.
aivetinakely
742.
Maniraka zaza tsy nateraka ka mahabe vatan'orona.
aivetinakely
743.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
744.
Santatra ambavarano fa ny manetsa be mbola ho avy.
aivetinakely
745.
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
746.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
747.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty.
aivetinakely
748.
Izay manan-tsira mahay mahandro
aivetinakely
749.
Masoandro be lohataona ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
750.
Lohataon-diavolana, izay miherika hitany.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
23
24
25
26
27
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0148