Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
721.
Kalalao matin-dronono, ka matin-draha tiana.
aivetinakely
722.
Aza matoky saka fa trondro ny laoka.
aivetinakely
723.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
724.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
725.
Very anjevony tahaka ny tsifoky ny mpifàna.
aivetinakely
726.
Tsara madin'ny mpifàna, ny pia no manaikitra.
aivetinakely
727.
Miady irery tahaka ny mpiteraka.
aivetinakely
728.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana.
aivetinakely
729.
Nantanain-kanirina, hay vao maika namandravandra.
aivetinakely
730.
Saka fozan'ilay monga, vao maika manosika azy any an-davaka.
aivetinakely
731.
Androngo am-perin'asa, ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
aivetinakely
732.
Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana.
aivetinakely
733.
Ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona.
aivetinakely
734.
Izay tsy tia ray aman-dreny no mitsipa-doha laka-nitàna.
aivetinakely
735.
Aza malahelo maty voalavo, fa ny any an-tsaha mbola be ny ho avy.
aivetinakely
736.
Maniry manitra tahaka ny saka miravaka hoditra.
aivetinakely
737.
Hena an-tànan-tsaka ka afoizo fa antànan-tompony.
aivetinakely
738.
Aza atao fihavana-molotra ka tezitra vao mifanatona.
aivetinakely
739.
Aza mahidy toa mpivaro-tantely ka ny tompony indray no milela-tànana.
aivetinakely
740.
Goaika mangala-katsaka ka izay mivoaka dadany avokoa.
aivetinakely
741.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina
aivetinakely
742.
Tantely tapa-pata, ny fo no enti-mameno.
aivetinakely
743.
Sambo-balala main'andro, ny tsy azoko androany, hoazoko rahampitso.
aivetinakely
744.
Maniraka zaza tsy nateraka ka mahabe vatan'orona.
aivetinakely
745.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
746.
Santatra ambavarano fa ny manetsa be mbola ho avy.
aivetinakely
747.
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
748.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
749.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty.
aivetinakely
750.
Izay manan-tsira mahay mahandro
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
23
24
25
26
27
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0141