Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
661.
Sima mitsoka afo, ka ny lavenona no miavovona aloha.
aivetinakely
662.
Boka mangala-boatavo ka mifampitolona samy malama.
aivetinakely
663.
Izay miova sata miova andriana.
aivetinakely
664.
Ny tany lavitra andriana lava volo.
aivetinakely
665.
Aza mitsako alohan'ny vazana, ary aza matory alohan'ny tsihy.
aivetinakely
666.
Na dia tia fahadiovana manao ahoana aza, de tsy fanao ny manasa ravitoto.
aivetinakely
667.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary.
aivetinakely
668.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka, fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
669.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra atahorana.
aivetinakely
670.
Tsy misy fitia fito taona, fa ny sisan'izay fihavanana.
aivetinakely
671.
Tandra vadin-koditry ny fiainana ny fahazarana.
aivetinakely
672.
Na ny valala aza hono tsy azo raha tsy andriana ilika.
aivetinakely
673.
Ny olon-kandrandrana tsy anafenana ny loha sola.
aivetinakely
674.
Tsy misy mahay hatrany an-kibondreniny, fa na ny mitan-tsotro aza ianarana.
aivetinakely
675.
Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto.
aivetinakely
676.
Tokatranom-boalavo, samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
677.
Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
aivetinakely
678.
Ataovy sahala amin'ny tokantranon-dandy, ao anatiny vao manatevina.
aivetinakely
679.
Badolahy mian-tsena ka ny siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
680.
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana.
aivetinakely
681.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
682.
Aleo vaky vilany mian'efitra toy izay maty olo-mazoto.
aivetinakely
683.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, ka ny madilana tentenina, ny mainto atohy.
aivetinakely
684.
Vavan-kisoa misy sira, tokinao hihinana azy.
aivetinakely
685.
Tsy misy maloto tahaka ny kisoa fa rehefa miboaka be tondro-molotra.
aivetinakely
686.
Basy atifi-kavana, tsy afenina fa arangaranga.
aivetinakely
687.
Izay mandeha roa salahain'olombelona, ny mandeha irery salahain-Janahary.
aivetinakely
688.
Asa atao an-kira, vita toa tsy natao.
aivetinakely
689.
Ny anarana tanim-boanjo, ka samy mamaritra izay zakany.
aivetinakely
690.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
21
22
23
24
25
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0135