Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tana
Hampiditra ohabolana
61.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : ka raha marary ny tanana ,dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava,dia misafo ny tanana .
yveratsimb
62.
Aza miteny hoe tsy vitako io ,manana finoana fa vitanao io
niryna
63.
Raha mamboly ka tsy mahavanona, ampio fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa avelao hivarina an-kady.
taratriniaina
64.
Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy.
niryna
65.
Boka mitaingindakana; izay itodiany no iampitàna
aivetinakely
66.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloana ofany aza tsy tia
aivetinakely
67.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
68.
Ataovy toy ny fitiavan'ny tanana sy vava; raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ary raha marary ny vava manafosafo ny tanana
road
69.
Sakorok'alika toa fivorian'ny fozaorana : ny tanana atao V, ny nify aloha toa sosona
josla
70.
Tsy sitrapon'ny antsy ny hikapa ny taola-mahery, fa asesiky ny tana-mandrasa.
soanja
71.
Tanalahy ambony hazo ny vintana, miova volo nony misy zaza misioka.
soanja
72.
LAVA-TANA TSY MIASA OHATRY NY FOZA
kiriah
73.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
74.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
75.
Tahaka ny jorery ny fanompoana, ka na dia tapaka aza ny tongony aman-tanany mbola mimenomenona ihany izy.
soanja
76.
Benalika no niongo-kerana, ka Isamboranto no miempa-tanana.
soanja
77.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
78.
"Fara-fahitana izao" hoy ilay voa bala amin'ny masony.
soanja
79.
Tsy mpandidy fa mpitana gny tendany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
80.
Madio midina, toy ny andevo manasa lamban'Antananarivo.
soanja
81.
Tanana anaty filo ka ny any ivelany tsy tafiditra, ny ao anatiny tsy tafavoaka.
soanja
82.
Sahomborera ambony amontana, tsy fitadiavan-kanina fa rehareha.
soanja
83.
Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray.
soanja
84.
Naka kitay tsy mirehitra, ka afaka adidy amin'ny fatana.
soanja
85.
Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala.
soanja
86.
Akondro kely avara-tanana, ka raha avo manan-tompo.
soanja
87.
Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.
soanja
88.
Bibilava ela niforetana, ka hitsotra ho hitan'ny olona.
soanja
89.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
90.
Adala nomen-tanan'ondry, ka na hosoloana hofany aza tsy omeny.
soanja
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179