Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe atsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
atsy
Hampiditra ohabolana
61.
Ny teny ratsy mahaleo tena, ny teny tsara mila fampiharana
Crionlas
62.
Ny ratsy mora ianarana fa ny tsara saro-takarina
Corice
63.
Ratsy anarana tahaka ny "hala" saingy famantarana andro tsara rehefa miasa.
aivetinakely
64.
Ny olon-dratsy no matetika manolotra toro-hevitra tsara
niryna
65.
Ratsy anarana tahaka ny hena fizara am-paty.
aivetinakely
66.
Miadan-dratsy hoatra ny boka may trano.
aivetinakely
67.
Aza mba tojo ny anjara ratsy, fa mianiana amin'ny tsy amin'antony.
aivetinakely
68.
Zatry ny niadan-dratsy, mamaham-piso avy no anakaramàna.
aivetinakely
69.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
70.
Ny tsara vintana no midera anjara, fa ny ratsy kosa mifia-dranomaso.
aivetinakely
71.
Izay tsy mino afatsy ny tenany irery ihany no miafara amin'ny fisaraham-panambadiana
niryna
72.
Ny olona izay tsy mino afatsy ny tenany ihany dia miaina ao anatin'ny maizina
niryna
73.
Aza midongy sehatra toy ilay ratsy feo mihira, fa na mamalana aza misy mitehaka.
ZEMJOS
74.
Fanambadian-ko ratsy, mpianadahy mifanaja no tsara
Raherizo
75.
Ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy.
aivetinakely
76.
Tsara fitafiana mianjaika tahaka ny goaika, manintona ny maso fe sady ratsy sakafo no maloto fofona
aivetinakely
77.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
78.
Teny soa sakafo, vava ratsy adidy.
benasy
79.
Izay tsy mihevitra afatsy ny tenany irery dia miaina ao anatin'ny tsy te ahalala ny fiainana
niryna
80.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
81.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra.
kanto1
82.
Tahaka ny antitra mitomany : maika loza miketrona manaratsy tena.
kanto1
83.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
84.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
85.
Aza mamono reny toa vary ratsy
niryna
86.
Sotrobe lava-tango, mahay atsy mahay aroa
niryna
87.
Tsy misy afaka hanome toro-hevitra ny mpandaha-teny lava afatsy ny tenany ihany.
niryna
88.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
89.
Ny varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
90.
Ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina.
sylvoalias
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0202