Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe atsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
atsy
Hampiditra ohabolana
91.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
92.
Ny varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
93.
Ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina.
sylvoalias
94.
ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny hiahaka
badboy
95.
Aza manao sotrobe lava tango, loharana ny atsy, tsabahana ny eroa
niryna
96.
Ny mpanao ratsy dia miverina amin'ny toerana nanaovany ratsy ihany.
niryna
97.
Mamono biby tsy mahafatsy ka hifotoran'ny rambony
niryna
98.
Aza manao fitan-droa toy ny mpampirafy, mamy ny atsy, tsy fohy ny aroa
niryna
99.
Aza manao boloky lahy homam-boaseva, fy ny atsy, mamy ny aroa.
ilanto
100.
Ny afo, ny rivotra ary ny orana no namana indrindra sy fahavalo ratsy indrindra
niryna
101.
Ny eritreri-dratsy mibaby manaraka izay aleha.
niryna
102.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
103.
Izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny
niryna
104.
Aleo tsy manana toy izay hanan-dratsy
niryna
105.
Izay iray vatsy iray haina.
niryna
106.
Raha tsara ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa, raha ratsy ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
107.
Bolokilahy homam-boan-tseva, mamy ny atsy, fy ny aroa.
aivetinakely
108.
Raha miha-maro ny marina, dia faly ny vahoaka fa raha.Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka dia misento kosa izy.
niryna
109.
Raha adala ka nanandra-tena hianao, na efa nisaina ny hanao ratsy.Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
niryna
110.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
111.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
112.
Mpamosavy namosavy boka, matin'ny olon-dratsy ny olon-tsivanona
niryna
113.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
niryna
114.
Mpamosavy namosavy boka, ka natin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
niryna
115.
Nahoana no faly asiandratsy toa tsihy.
niryna
116.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
117.
Tanora ratsy fiary antitra vao ratsy laoka
niryna
118.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
119.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy.
niryna
120.
Ratsy atao amin-kavana, izay mahavita be no manenina
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0215