Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe atsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
atsy
Hampiditra ohabolana
31.
mety hanao fahadisoana ny olona fa tsy midika izany fa olon-dratsy izy
vonynive
32.
"fitia tsy tanteraka tsy maharatsy fihavanana"
alfantomas
33.
Aleo ratsy feno fahatsarana toy izay tsara feno faharatsiana.
tmjjah
34.
Tanora ratsy fiary ka maka kitay fotsy volo
5laody
35.
"Aza mamaly ratsy amin'ny ratsy,fa aleo mivavaka sy manao soa aminy"
manirii
36.
Jiolahy nahafaty mpamosavy,ka matin'ny olon-dratsy ny ny olon-tsy vanona.
FENOSOA2
37.
Aza faly am-panaovan-dratsy,toa mpamosavy
FENOSOA2
38.
Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka
yveratsimb
39.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
yveratsimb
40.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
41.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo, ary jiolahy manan-trano ka sarotra atao olon-dratsy
yveratsimb
42.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
43.
Aza manao fitian-dalitra, maty mitety ny ratsy, fa mba manaova fitian-tantely ka maty mamela ny mamy ho an'ny fokonolona
yveratsimb
44.
izay iray vatsy, iray aina
yveratsimb
45.
Andriamanitra tsy tia ratsy.
niryna
46.
Ratsy fiafara toy ny lahy antitra mamosavy
rjuste
47.
Aza ny havana no asian-dratsy; fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
niryna
48.
Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina
niryna
49.
Ratsy tarehy ambinin-doza ka mikarakara vao tsara.
niryna
50.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao higagana Voalavo sasatry ny miaina, saka matory no ala-bolombava
Gagagagagasy
51.
Mpangalatra nahafaty Mpamosavy ka matin'olon-dratsy ny olon-tsy vanona
RAINIJE
52.
Tsitsihy agnabo, trandraka ambonin'ny tany; volam-pagnierana tsy mba ratsy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
53.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka volo vao tsara.
soanja
54.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
55.
Vorodamba atakalo mindrana, ka ny manana ny ratsy indray no manafatra.
soanja
56.
Fady ny mipetraka an-tokonana fa mampitokona ny soa tokony hiditra sy ny ratsy tokony hivoaka.
soanja
57.
Ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka
kiriah
58.
Tana-kavia sy havanana hono ka mamy ny atsy,tsy foy ny aroa...
ionosaoly
59.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka vao tsara
niryna
60.
Ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny ho very
Ratianakel
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0203