Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe dian
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
dian
Hampiditra ohabolana
61.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
62.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
latina
63.
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza
latina
64.
Ny varotra toy ny fanambadiana, ka raha tsy raikitra misaraka ihany.
latina
65.
Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
latina
66.
Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo
latina
67.
Tsy misy tsara oahtra ny fanmbadiana mifanaraka
latina
68.
fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany
latina
69.
zava-tsy zaka ny fanambadian-tery setra
latina
70.
anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby
latina
71.
Aza manao amboa ditsoka (na dian'omby jamba)
latina
72.
Didian-tsy ary somĂ ka; faritana tsy ary voatana (na tsy mitovy)
latina
73.
Ataovy toy ny dian-tana: jereo ny aloha, todiho ny aoriana
latina
74.
Maika tsy faingana toa dian'ondry
Mapa
75.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
76.
ny anambadian-kiadanana
jentilisa
77.
ny anambadian-kiterahana
jentilisa
78.
anambadian-kisarahana
JMR
79.
Sitrapon-dRalakamisy ny nanambadiany ambaniandro
JMR
80.
adin'ny mpivady: tokoam-bary aza iadiana
jentilisa
81.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy tahaka ny torimaso.
jentilisa
82.
Borizanon'Ivakiniadiana, ny tonga ihany no matin'entana.
jentilisa
83.
mpirahalahy mizara dian'omby, tsy vaky fa mitriatra.
jentilisa
84.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
85.
mitombo an-dalana toa dian'andriana.
jentilisa
86.
Dian'aomby maro tagnana ny dian'ny aloha arahiny afara
zanita
87.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
88.
Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
mandrindra
89.
Aza miovoka ambony toy ny ranovolan’i Tsiodiana
hery
90.
ny hovadiana be ihany fa ny horafozanina no tsy misy
jentilisa
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0169