Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fana
Hampiditra ohabolana
61.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
62.
Fofon'ahandro ny aina, raha sokafana dia lasa
yveratsimb
63.
Tsy asiana mizana tsindrin’ila na atao atody mafana ila
yveratsimb
64.
Tantely sy akondro, tafaray samy mamy, sakamalao sy sakay, tafaray samy mafana
yveratsimb
65.
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary
yveratsimb
66.
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
p106
67.
Fiaboa ty raha soa, fañabokà ty raha raty
Momake
68.
na haiko aza ny fanafodim-balavo, de zaho tsy hamehe hena an-tsiky
DEDAKE
69.
Tsy misy tsara hoatra ny fanambadiana mifanaraka
niryna
70.
aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa.
itaramasoandro
71.
Tanora sarak'olon-tiana, ny sento no fanafody manamaivana
aivetinakely
72.
Mampaka-bady maika loatra, ny tarehy no voajery, ny fanahy natao sorona
aivetinakely
73.
Sinoa manambady baribary maso ka ny fanarenan-taranaka no zava-dehibe
ainasihery
74.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
75.
fanambadiam-boalavo, ka Samy mikepoka izay azony
mpikabary
76.
Ny fampiarana ny fahefana dia toy ny vola any amin'ny banky,araka nny ampiasainao azy no hanamaivana izany
niryna
77.
Ny fo ranomafana, ny tendrom-po tsy mba namana
niryna
78.
Ny Fanahy no mahaolona
VOARITINA
79.
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenako
walte
80.
Tsy ny donak'afo no mampafana ny trano fa ny mpianakavy mifanara-tsaina
RAHARYTIANA
81.
Masoandro ririnina tsy natao hanafana ivelany ihany fa any anaty.
soanja
82.
Ny fanambadian'andevo tsy manam-pahefana toy ny hefakefan'omby.
soanja
83.
Toy ny fanahin'andevo mandevona.
soanja
84.
Manao atody mafana ila.
soanja
85.
Bararata anaty fasika ka totofana vao lava tsiry.
soanja
86.
Ny lambo an'ala, ny vahy an'ala, ka tsy mifanapaka na mifaningotra.
soanja
87.
Mpaka haravola akaikin'ny tevana ka na dia lavo aza, mahazo fanampiny.
soanja
88.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
89.
Faheresen-kisoa, miakandrefana.
soanja
90.
Ny fanambadiana tsy nafehy fa nafandrotra.
soanja
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0232