Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kely
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kely
Hampiditra ohabolana
61.
Kely vatana mahalavo ny mahery tahaka ny fintana.
aivetinakely
62.
Fanitsiana kely:Aza mihantsy amboa hanaikitra ny tena
niryna
63.
Adin-jazakely, ka ny ranomaso maina ihany no fetrany.
aivetinakely
64.
Manaova tahaka ny akondro, ny kely manotrona ny lehibe, ny lehibe manalokaloka ny kely.
aivetinakely
65.
Ataovy fitia foza kely ka lany mbamin'ny korany.
aivetinakely
66.
Safidin-jazakely, ny marevaka ihany no mahasarika.
aivetinakely
67.
zazakely manina ka any an-doha no manetsetra.
aivetinakely
68.
Vatokely antsisin-dalana, tsy miandry anao hitodika fa miantso anao hitandrina famindra.
aivetinakely
69.
Ataovy toy ny vato andohampasana ka na kely aza manan-kasina.
aivetinakely
70.
Toy ny sakay pilokely ka ho hano aho hinanako anao
niryna
71.
Ny fanantenà na hanam-be matetika no amoizana ny kely ampelan-tanana.
aivetinakely
72.
Mafy hatoka tahaka ny amalon-kely, hanina tsy hahavoky no namoizana ny aina.
aivetinakely
73.
Raha ianao vatokely manafintohina, ny aty vatolampy ampy handihizan'ny varatra.
aivetinakely
74.
Kely mivaro-tena sady donto no fetsy.
ZEMJOS
75.
Mifandova toetra tahaka ny vato, be tsy miteny, kely tsy mivolagna.
aivetinakely
76.
Aleo kely manan-tsaina toy izay be tsy mahataka-davitra.
aivetinakely
77.
Tsy misy kely tahaka ny vitsika fa rehefa miray hina mahavita trano.
aivetinakely
78.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana
aivetinakely
79.
Aza malady hofana toy ny amalon-kely fa tsy mahaela velona.
aivetinakely
80.
Aza mafy fo tahaka ny vato, ka ny kely avy no taha-dreny
aivetinakely
81.
Vatokely anaty lalana, tsy fandrika fa hanotra ny tsy hitan'ny mpitsabo.
aivetinakely
82.
Akohokely lasan'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
83.
Vatovory andohamandy ka mampitaintaina ny kely anaka
aivetinakely
84.
Vakim-bola asanda fanambadiana ka ny kely no natakalo be
aivetinakely
85.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana
niryna
86.
Aza mietaketaka toy ny akoho kely vidin-drindra.
niryna
87.
Kely tratry ny sarotra hoatra ny misao-bady tezitra
niryna
88.
Toy ny fanoto : ka antitra vao kely anarana.
kanto1
89.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana.
aivetinakely
90.
Tsy misy mafy toy ny raibe mijery ny zafikely hanarina
niryna
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0325