Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kely
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kely
Hampiditra ohabolana
181.
Vary dimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily any an-katony
McFy
182.
Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely
JMR
183.
Donak'afon'Analakely: avy hatrany dia any am-bovonana
jentilisa
184.
mitompo teny fatratra toy ny antsikely be zarana
jentilisa
185.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
186.
Faly sahirana toy ny akohokely notsipazam-potsimbary.
jentilisa
187.
ny kely no manaiky manaiky amin-tahotra; ny lehibe no manaiky manaiky amin-kenatra
jentilisa
188.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
189.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
190.
indro kely hoy ny mpandrafitra
jentilisa
191.
Akohokely miambozona tady mahazaka ka mizaka ny tseran'ny aina.
fily
192.
Ikotokely milalao kary ka ny filalaovana ihany ny ahy fa ny kary an-dRafotsibe
Avahi
193.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
194.
(Aza manao) kely tsy mba mamindro
jentilisa
195.
Aza fady fa mateti-piavy toa ny sotrokely
ftma
196.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
hery
197.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
198.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
Voalohany
Mialoha
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0369