Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kely
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kely
Hampiditra ohabolana
31.
Aza tomany homana toy ny akohokely
niryna
32.
Vano ambalam-parihy, ihany mantsy aho, ka raha tazinina toa avo dingana, hatonina kely fingotra.
soanja
33.
Varidimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily an-katoka.
soanja
34.
kely aina ka tia ady antsena
kiriah
35.
Toy ny hazo kely atsinanan'Angavo, ka indray mietry, indray misavoana.
soanja
36.
Akanjon-goaika, ka vita fony kely.
soanja
37.
Toy ny dihy heverina, ka raha miampy kely dia raikitra.
soanja
38.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
39.
Akohokely voahitsa-dreniny ka tsy hala fa tompom-pitia.
soanja
40.
Akohokely lasam-papango ka misidina ambony vao tra-pahoriana.
soanja
41.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
42.
Akondro kely avara-tanana, ka raha avo manan-tompo.
soanja
43.
Aleo kely maro asa toa bonga kely , toy izay lehibe tsy mihetsika ka lotoin'ny sorohitra toa bongabe.
soanja
44.
Tanimanga voaevotra ka miampy kely dia takotra
soanja
45.
miaka-midina ohatrin ny anaran-dRabe kely
kiriah
46.
DIDIMASON TSOKINA KA NY KELY ANANANA NO AVANDRAVANDRA
kiriah
47.
Mpihaza vao sendra sora ka hoentina toa totozy, havela toa trandraka kely.
soanja
48.
Androngo milanja lolo, ka lehibe am-pitondrana fa kely am-pihinana.
soanja
49.
Lolokely an-tanin'andro. ka hivelabelatra dia izy ihany, hikombokombona dia izy ihany.
soanja
50.
"Aleo sakafo anana hampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asiann-dromoromo" Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay harem-bevava azo amin'ny tsy rariny"
mpoon
51.
manalasala toy ny vady kely reny,hovonoina kely rahateo, avela am'zao basivava
tsiafa
52.
mahatra kely sandry itory kely vola hiady moramaty
turin
53.
Sotroranon'akoho, ka izay kely azo no andraindraina
walte
54.
aza mampiditra fahoriana in-droa toy ny zaza maditra, kely manataka ambany lehibe manataka ambony
razion
55.
Mba hafa kely indray izay hoy ilay kisoa nihinan-tay
Ratianakel
56.
Matin'ny nataony toy ny totozikely nangetotra an-davenona.
andokely
57.
Kely ila nangala-badin'olona, nahazo ihany fa tsy afaka nitsoaka.
andokely
58.
Vola natao fandofosana ka manana anarana hafakely isam-poko.
aivetinakely
59.
Kely vatana mahalavo ny mahery tahaka ny fintana.
aivetinakely
60.
Fanitsiana kely:Aza mihantsy amboa hanaikitra ny tena
niryna
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0182