Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe laka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
laka
Hampiditra ohabolana
61.
Sitrapon-dRalakamisy ny nanambadiany ambaniandro
JMR
62.
Misosa tsy voizina toy ny lakam-bezo
JMR
63.
Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
jentilisa
64.
Ny anjara tsy mba miolaka
zanita
65.
Araben'Antananarivo na malalaka aza manantompo
zanita
66.
Mangetaheta ambony lakana
JMR
67.
Aza mandevin-tay an-tsalaka
JMR
68.
Lakana tsy mifidy andriana, ka izay miditra lena avokoa
McFy
69.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
70.
Zozoro taingenam-pody tsy folaka fa mandefitra
JMR
71.
izy mivady no miady, ka ny ankizy no voailakilaka sy voa tehamaina
jentilisa
72.
mifampiditra an-tanàna toy ny salaka sy vody
jazz666
73.
vero taingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra
jentilisa
74.
Aza mitsipa-doha ny laka-nitàna
vale
75.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
76.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
77.
Manao olona milakamilaka nefa ataon'olona milaka mihohoka
hanta77
78.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
79.
Ny atao toy ny salaka : soa atao, mihodidina; ratsy atao, mihodidina.
lanto
80.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0208