Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maro
Hampiditra ohabolana
61.
Dian'aomby maro tagnana ny dian'ny aloha arahiny afara
zanita
62.
Aza manao toy ny zozoro, marotsaka ihany von-dohany
McFy
63.
Tana haolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan’ ambiaty ; teny maro tsy ilaozan’ izay ota
hery
64.
Maro ihany ny hazo, fa ny fary no mamy
hery
65.
tsy tia maro toa mpamosavy
jentilisa
66.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
67.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy ; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty
hery
68.
Ny maty aza te-ho maro
hery
69.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
70.
ny hevitry ny vitsy manodidina ny fatana fa ny hevitry ny maro mahatakatra ny lanitra
jentilisa
71.
Maro ny hazo fa ny fary no mamy
jentilisa
72.
Teny maro tsy ilaozan'ota
jentilisa
73.
Akanga maro tsy vakin'amboa
vale
74.
Ny maty aza te-ho maro.
lanto
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167