Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maro
Hampiditra ohabolana
31.
Ho faly ny vahoaka, raha mihamaro ny marina
niryna
32.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa
niryna
33.
Toy ny akoholahy an' Antanantanana ka ny mazava mitarika vady maro fa ny alina kosa mandry amin'ny tainy
rtol
34.
Raha miha-maro ny marina, dia faly ny vahoaka fa raha.Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka dia misento kosa izy.
niryna
35.
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy;raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty.
niryna
36.
Aza mifaninana fa mamorona, jereo izay ataon'ny besinimaro ary aza atao.
niryna
37.
Ny fanantenàna hahazo maro matetika no anariana ny kely eo am-pelantànana.
aivetinakely
38.
Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
niryna
39.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
40.
maromaroa ny fiteraka, fa tsy ilaozan'izay ho tsara
latina
41.
aza manao sain-jaza maroroka
latina
42.
Manao rafi-maroroka ka malaky mirodana
latina
43.
Maro ny sola, fa ny an-tsatro-mena no izy
latina
44.
Didimaso maro anaka, ka tsy mahita ny ef nihinana
latina
45.
raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy, fa raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty
latina
46.
Ny maty aza te ho maro
latina
47.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
48.
AZA MALAHELO DISO LEVENANA FA MBOLA HO MARO NY MARARY
Paska
49.
ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo
harikalo
50.
Maro ty hazo an'ala any fa fosiky io avao ro mamy
roscarb
51.
Na maro aza ny antsy toto-kena tsy azo tetehina
dadou
52.
Hevitrin'ny maro mahataka davitra.
ariel
53.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty.
jefra
54.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
55.
Ataovy maro ny namana fa iray ihany no itokiso
doum
56.
Ny hevitry ny maro mahata-davitra
doum
57.
Teny maro tsy hilaozan'ota
doum
58.
Ny hevitrin'ny maro mahataka-davitra
JMR
59.
Maromaroa ny fiteraka fa tsy hilaozan'izay ho tsara.
jentilisa
60.
Aviavin'Imaroadabo, vao donina dia mirarak'ompana.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0201