Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ratsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ratsy
Hampiditra ohabolana
61.
Ratsy anarana tahaka ny hena fizara am-paty.
aivetinakely
62.
Miadan-dratsy hoatra ny boka may trano.
aivetinakely
63.
Aza mba tojo ny anjara ratsy, fa mianiana amin'ny tsy amin'antony.
aivetinakely
64.
Zatry ny niadan-dratsy, mamaham-piso avy no anakaramàna.
aivetinakely
65.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
66.
Ny tsara vintana no midera anjara, fa ny ratsy kosa mifia-dranomaso.
aivetinakely
67.
Aza midongy sehatra toy ilay ratsy feo mihira, fa na mamalana aza misy mitehaka.
ZEMJOS
68.
Fanambadian-ko ratsy, mpianadahy mifanaja no tsara
Raherizo
69.
Tsara fitafiana mianjaika tahaka ny goaika, manintona ny maso fe sady ratsy sakafo no maloto fofona
aivetinakely
70.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
71.
Teny soa sakafo, vava ratsy adidy.
benasy
72.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
73.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra.
kanto1
74.
Tahaka ny antitra mitomany : maika loza miketrona manaratsy tena.
kanto1
75.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
76.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
77.
Aza mamono reny toa vary ratsy
niryna
78.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
79.
Ny varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
80.
Ny soa atao hono hoe levenam-bola fa ny ratsy atao kosa loza mihantona.
sylvoalias
81.
ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny hiahaka
badboy
82.
Ny mpanao ratsy dia miverina amin'ny toerana nanaovany ratsy ihany.
niryna
83.
Ny afo, ny rivotra ary ny orana no namana indrindra sy fahavalo ratsy indrindra
niryna
84.
Ny eritreri-dratsy mibaby manaraka izay aleha.
niryna
85.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
86.
Izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny
niryna
87.
Aleo tsy manana toy izay hanan-dratsy
niryna
88.
Raha tsara ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa, raha ratsy ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
89.
Raha miha-maro ny marina, dia faly ny vahoaka fa raha.Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka dia misento kosa izy.
niryna
90.
Ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona.
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0886