Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ratsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ratsy
Hampiditra ohabolana
151.
Ny lehilahy tsy mba ratsy
doum
152.
Tovovavy ratsy tarehy ka ny volo no aholakolana
doum
153.
Ny adidy tsy an'olondratsy
doum
154.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
155.
Ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona
doum
156.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
doum
157.
Ratsy vady ka malai-mody
jentilisa
158.
Ratsy tokoa ny lainga fa na ny mpandainga aza tsy tia azy.
jentilisa
159.
Tsy kely lalana ny ratsy
JMR
160.
tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
jentilisa
161.
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy izay manjo lazaina avokoa.
jentilisa
162.
Ratsy tarehy maka vady, ny anaran-dray no enti-mangataka
jentilisa
163.
ny fanoron-dratsy no miverina ilalana
jentilisa
164.
Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana
jentilisa
165.
tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, na ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra fa ny atao no mahasoa na maharatsy
zanita
166.
Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
JMR
167.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
168.
Ny anarana tanim-boanjo, ka izay kely famaritra no ratsy
McFy
169.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
hery
170.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka
hery
171.
Ratsy tokoa ny lainga, fa ny mpandainga aza tsy tia azy
hery
172.
Ny sikidy ratsy tsy amonoan-tena, ny sikidy soa tsy iravoana.
ftma
173.
Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
ftma
174.
Aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy
jentilisa
175.
mpamosavy namosavy boka ka matin'ny olon-dratsy ny olo-tsy vanona.
jentilisa
176.
Tsy misy tandroka ny ratsy
jentilisa
177.
ny lalambe no tsy asian-dratsy mbola handalovana foana
jentilisa
178.
Ny ratsy atao loza mihantona
Vetso
179.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
180.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.06