Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ratsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ratsy
Hampiditra ohabolana
181.
Mafanafana ohatry ny ratsy ataon-kavana
hery
182.
Aza sarotra ihamboana toa havan-dratsy
hery
183.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory
hery
184.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanaolana
jentilisa
185.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana.
ftma
186.
tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka.
jentilisa
187.
Varotra tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
vale
188.
Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza
Fanja1
189.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana
Fanja1
190.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana
Fanja1
191.
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Fanja1
192.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
lanto
193.
Ny adidy tsy an' olon-dratsy.
lanto
194.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy.
lanto
195.
Ny atao toy ny salaka : soa atao, mihodidina; ratsy atao, mihodidina.
lanto
196.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
197.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran- tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy
hery
Voalohany
Mialoha
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0198