Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe samy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
samy
Hampiditra ohabolana
61.
Samy bangaridana mifanoroka hono hoe ka de tsy misy ny kaiki-dela fa de finonoana no ady ao.
sylvoalias
62.
Boka milalao daomy, ka samy tehipasoka fa tsy misy te hanomboka.(lohavato)
sylvoalias
63.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
64.
Aza manao tokatranom-boalavo ka samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
65.
Samy ho tsarain'Atra amin'ny ataony ny tsirairay
niryna
66.
Aza matoky na na vady andefomandry aza, fa ny olona samy manana ny sainy.
sylvoalias
67.
Tafondro natifi-baratra ka tafahaona samy loza
niryna
68.
Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy
niryna
69.
Tsy misy ny fifanajana eo amin'ny samy jiolahy.
niryna
70.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana
niryna
71.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy ny tiana
niryna
72.
AZa mindran-tsofina samy akaiky
niryna
73.
Poritr'ovy Ankaratra ka samy mihinana izay voapotsipotsiny
rtol
74.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
75.
Boka mangala-boatavo ka mifampitolona samy malama.
aivetinakely
76.
Samy zanaky ny mpanefy ka tsy miafmpidera taim-by
rtol
77.
Tokatranom-boalavo, samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
78.
Ny anarana tanim-boanjo, ka samy mamaritra izay zakany.
aivetinakely
79.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
80.
Toy ny sikidy saka:ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa
niryna
81.
Androngo am-perin'asa, ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
aivetinakely
82.
Zara hetra ny fahafatesana ka samy mandray ny anjarany.
aivetinakely
83.
Volamena notaingenam-boahangy ka tafahaona ny samy mamiratra.
aivetinakely
84.
Mpirahalahy mizara hena manta, samy miady fo ny ho azy
aivetinakely
85.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
86.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
87.
Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
niryna
88.
Toy ny irai-tampo samy hafa ray, ka samy manana ny azy
latina
89.
Renikely mandoza: samy zanany ihany ka iangarany
latina
90.
mpanjono lasa-mamba, ka samy maka ny tiany.
latina
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0178