Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe samy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
samy
Hampiditra ohabolana
61.
Boka mangala-boatavo, mifampitolona samy malama
aivetinakely
62.
Manalasala ny mifidy zaza kalmbana, ny ivelany itovizany ihany fa ny anatiny samy maka ho azy.
aivetinakely
63.
sola miloloha fanoto ka tafaray samy malama
elyzo
64.
Samy bangaridana mifanoroka hono hoe ka de tsy misy ny kaiki-dela fa de finonoana no ady ao.
sylvoalias
65.
Boka milalao daomy, ka samy tehipasoka fa tsy misy te hanomboka.(lohavato)
sylvoalias
66.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
67.
Aza manao tokatranom-boalavo ka samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
68.
Samy ho tsarain'Atra amin'ny ataony ny tsirairay
niryna
69.
Aza matoky na na vady andefomandry aza, fa ny olona samy manana ny sainy.
sylvoalias
70.
Tafondro natifi-baratra ka tafahaona samy loza
niryna
71.
Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy
niryna
72.
Tsy misy ny fifanajana eo amin'ny samy jiolahy.
niryna
73.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana
niryna
74.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy ny tiana
niryna
75.
AZa mindran-tsofina samy akaiky
niryna
76.
Poritr'ovy Ankaratra ka samy mihinana izay voapotsipotsiny
rtol
77.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
78.
Boka mangala-boatavo ka mifampitolona samy malama.
aivetinakely
79.
Samy zanaky ny mpanefy ka tsy miafmpidera taim-by
rtol
80.
Tokatranom-boalavo, samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
81.
Ny anarana tanim-boanjo, ka samy mamaritra izay zakany.
aivetinakely
82.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
83.
Toy ny sikidy saka:ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa
niryna
84.
Androngo am-perin'asa, ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
aivetinakely
85.
Zara hetra ny fahafatesana ka samy mandray ny anjarany.
aivetinakely
86.
Volamena notaingenam-boahangy ka tafahaona ny samy mamiratra.
aivetinakely
87.
Mpirahalahy mizara hena manta, samy miady fo ny ho azy
aivetinakely
88.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
89.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
90.
Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
niryna
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0188