Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe samy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
samy
Hampiditra ohabolana
121.
Vary lena voatoto : ka samy te-ho lohany
hery
122.
ny toko dimy samy manana ihany
jentilisa
123.
Androngo an-asa ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
jentilisa
124.
Sakay sy voan-tsiperifery ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
McFy
125.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
126.
Sola miondam-panoto ka tafaray samy malama
hery
127.
Sola miloloha voatavo ka tafaray samy malama
hery
128.
bibilava sy olona ka samy taitra sy samy mitsoaka
jentilisa
129.
Samy zanaky ny mpanefa ka tsy hifampidera taim-by.
jentilisa
130.
Vorom-bazaha misasa, ka samy manao izay saim-pantany
McFy
131.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka
McFy
132.
Toy ny varo-jabo an-tsena ka samy midoka ny azy ho masaka
McFy
133.
Tsikovoka sy fandiorano, volo no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy
McFy
134.
Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka izay azony
jentilisa
135.
ny anarana tanim-boanjo ka samy mamaritra izay tiany.
jentilisa
136.
Nify samy fotsy, ra samy mena
jentilisa
137.
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny ao aoriana tsy miantso
Avahi
138.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
139.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
140.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
141.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0165