Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe samy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
samy
Hampiditra ohabolana
31.
Ny olombelona toy ny akondro,raha manondro ny lanitra iray ihany fa raha mihondrika, samy manana ny lafiny .
niryna
32.
Sola miondana fanoto ka tafaray samy malama
njivo
33.
angamenavava ka samy mitsilo ny alehany.
itaramasoandro
34.
Be molitra mihinana voatavo ka tafahaona samy matevina
jobo
35.
Ny olom-belona tsy main-tsy lena, samy tsy ilaozan'ny alahelo sy hafaliana
aivetinakely
36.
fanambadiam-boalavo, ka Samy mikepoka izay azony
mpikabary
37.
Samy songy toy ny telefaonina samsung
josla
38.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny.
soanja
39.
Parasin'Ambohimanoa: ny vavy be loha,ary ny lahy kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany.
soanja
40.
Tsinjak'Izakasoa, ka samy mila ho azy.
soanja
41.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
42.
Sakamalao sy havozo ka samy mitondra ny hanitra ho azy.
soanja
43.
Ngorongoso odian-tamotamo, avelao hifanenjika fa samy mavo.
soanja
44.
Vomanga an-tanty, ka samy maka izay tiany.
soanja
45.
Siny voatavo ka samy mibobobobo amin'izay ananany.
soanja
46.
Sahombora mitaingina harefo, ka mifanindry samy malemy.
soanja
47.
Taiza zaza be lelo, ka samy manindrahindra izay ananany.
soanja
48.
Fotaka ambaravarana ka samy manilika izay halehany.
soanja
49.
potsik ovin ankaratra ka samy mihinana ny voa-poriporiny
kiriah
50.
Tain'angely, ka samy mailika izay eo ambaravarany.
soanja
51.
Angavamena, ka samy mitsilo ny lalan-kalehany.
soanja
52.
Oron-dambo ka samy mitrongy no mihinana.
soanja
53.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
54.
"Samy zanaka mpanefy ka tsy hifampidera taim-by"
mpoon
55.
Aoka tsy hanao toy ny mpirafilahy miray fandriana, ka tsy afaka hiray lamba, na samy te-hiady amin'ny hatsiaka aza.
Razatovo
56.
Be molotra mihinana koba ka ho tafaray samy matevina. Fisa-molotra mihinana sipsa: tafaray samy manify
Mahasahy
57.
Samy miana-mandeha ka izay miraingiraingy no potraka aloha.
aivetinakely
58.
Ny fo miangoty, ny saina mandinika, samy manana ny filàny avy
aivetinakely
59.
Aza mirify amin'ny fampatahorana fa samy miaina amin'ny orony.
aivetinakely
60.
Antsapaka ny fitiavana, ka samy mandray sy mifaly amin'ny tandrifiny.
aivetinakely
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0174