Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe samy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
samy
Hampiditra ohabolana
91.
Toy ny irai-tampo samy hafa ray, ka samy manana ny azy
latina
92.
Renikely mandoza: samy zanany ihany ka iangarany
latina
93.
mpanjono lasa-mamba, ka samy maka ny tiany.
latina
94.
Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka
latina
95.
Mitolona anaty rano ka samy lena
latina
96.
Mitolona am-bovon-tany, ka samy mavo
latina
97.
Tafondro natifi-baratra, ka tafahaona samy loza
latina
98.
Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa
latina
99.
Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
latina
100.
Tsikovoka sy fandiorano: volo no iraisana, fa ny fomba samy manana
latina
101.
lambarano voahosotra arina: tafaray samy ngerona
latina
102.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
103.
Toy ny sikidy saka: ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hfa.
latina
104.
Mpianadahy mita rano samy tompok'henatra
latina
105.
tafaraka ny samy malama toy ny banga sy ny salady
bibilax
106.
Vorom-bazaha misasa, ka samy manao izay saim-pantany.
soanja
107.
Ny hevitra terabary ka samy milaza izay ao am-pony
murier
108.
Sola miondam-boatavo, ka tafaraka samy malama
manase
109.
Boka mikavina, tsy haingo fa fitehirizan-karena. Boka mangala-pary : ny fary tsy azo, fa ny tanana feno lay. Boka mangala-boatavo, ka mifampitolona samy malama.
natix007
110.
boka mangala_boatavo mifampitolona samy malama
dadou
111.
Namintana amalona nahazo do, samy vandambandana fa tsy izy
Viky
112.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany.
jefra
113.
Siramamy sy tantely, samy mamy fa anaran-tsamihafa!
jentilisa
114.
Papango amam-borona, iray toerana, fa samy hafa faniry
zouzou
115.
Aza manao toy ny boka manjono : mifamitaka samy malama
zouzou
116.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
117.
Feom-boron'ala, samy manao izay hainy
ftma
118.
Vary lena voatoto ka samy te-ho lohany
jentilisa
119.
Samy zanaka ve no atao tombo sy hala?
jentilisa
120.
Be elanelana hoatran'ny samy be kibo miara-mandihy
JMR
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0292