Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
931.
Vato atora-pody ka tsy ijerana vary miraraka.
soanja
932.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
933.
Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazoana aina.
soanja
934.
Zana-tsorohitra amoron-dalana ka tsy nariako, tsy narian-dreniny.
soanja
935.
Tsintsina nahazo sompanga, ka ny kibo hasiana no tsy misy.
soanja
936.
Tanana anaty filo ka ny any ivelany tsy tafiditra, ny ao anatiny tsy tafavoaka.
soanja
937.
Bararata anaty fasika ka totofana vao lava tsiry.
soanja
938.
Fakam-bolontsangana aho mitaingina ny avo.
soanja
939.
Raha mbola vao dia mitaingina bao, fa nony tamana taingenan'ny bao.
soanja
940.
Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady.
soanja
941.
Mitendry valiha maty vady, ka mifaly amin'ny efa nafoy, sa manaitra ny mbola tsy manana?
soanja
942.
Ny anivona tsy mila antsetra, ny mpilotra tsy ilana tahony, fa izay mikendry no mahavoa.
soanja
943.
Mangahazo mangidy malemy, ka hanina amin'ny lemim-panahiny.
soanja
944.
Izaho angaha no nahandro ny tsaramaso no ikentronketronana?
soanja
945.
Voatavo tsy mety ho zinga ka vakiana vao toham-baliha.
soanja
946.
Siny voatavo ka samy mibobobobo amin'izay ananany.
soanja
947.
Banga mihinam-boatavo ka tsako tokana ihany.
soanja
948.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
949.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
950.
Tsy katsaka ka hiteraka tehezana.
soanja
951.
Aza toy ny rongony, ka sady mpanaja no mpamoafady.
soanja
952.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
953.
Fotsimbary an-karon-kerana, ka izay naleha, nipetrahany avokoa.
soanja
954.
Toy ny herana ka mitomany handratra ny hafa.
soanja
955.
Zozoro anaty farihy, ka raha tsofin'ny rivotra miara-miraika.
soanja
956.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
957.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
958.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
959.
Lamba rongony fahan-kafotra ka isalakana, manaiki-balahana; itafiana, asampina vao miporotsaka.
soanja
960.
Mpaka rofia nahazo jiolahy ka vonona ny kofehy hamatorana.
soanja
Voalohany
Mialoha
30
31
32
33
34
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0216