Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
901.
Zaza tokana na-trano ka raha tsy maty voky maty iraka
kiriah
902.
Adin-tsain-dRalahy tokana, ny vady tiana ny reny tsy foy
kiriah
903.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
904.
Ny tsiny HADY lalina tsiriana maha-fanina, ianjeràna maha-faty
kiriah
905.
Sitraka enti-matory ho valiana raha matsiaro
kiriah
906.
Basy atifi-kavana ka tsy afenina fa arangaranga
kiriah
907.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
908.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
909.
maty kiambo tohin'ny olotra ozy ka eny ambon'ny tay no manao tsongolo batiba
meljah
910.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
911.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
912.
Mananjara izay itobahan'ny rony fa ny ventiny mandeha an-danjany.
soanja
913.
Manao atody mafana ila.
soanja
914.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
915.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
916.
Manandraharaha ny dokotra fa merika ny andro.
soanja
917.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
918.
Ganagana entina amin'ny tendany.
soanja
919.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
920.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
921.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
922.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
923.
Akohokely lasam-papango ka misidina ambony vao tra-pahoriana.
soanja
924.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
925.
Goaika maneno am-panidinana, ka mampidera feo eny an-danitra.
soanja
926.
Fihavanan-takatra ka ory miara-mitokiky, faly miara-mitokaka.
soanja
927.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
928.
Mandihiza rahitsikitsika hianaranay amin'ny fararano.
soanja
929.
Tatabava, milaza taon-tsy hisitrahana toy ny kankafotra.
soanja
930.
Tsikirity momba fody, ka tsy tompon-dia fa mpanaraka.
soanja
Voalohany
Mialoha
29
30
31
32
33
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0331