Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
991.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
992.
Mpaka haravola akaikin'ny tevana ka na dia lavo aza, mahazo fanampiny.
soanja
993.
Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.
soanja
994.
Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana.
soanja
995.
Mampakatra feta tsy madity ka raha avy ny orana dia mihotsaka.
soanja
996.
Fotaka ambaravarana ka samy manilika izay halehany.
soanja
997.
Mitatitra fasika ka manabe vava ny ony.
soanja
998.
Mamatan-tany foana toy ny havandra ririnina.
soanja
999.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
1000.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
1001.
Ny tany nohadiana tsy ary ho tonga an-karona avokoa.
soanja
1002.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
1003.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
1004.
Mamono volana an-trano.
soanja
1005.
Tefitra, toy ny vitsika ka manao varavarana tandrifin'ny lanitra.
soanja
1006.
Ganagàna mitety asa , ny hanina tsy hita ny tratra mangana
kiriah
1007.
Saro-tiavina toy ny landy ka tiana vao misafotofoto
kiriah
1008.
potsik ovin ankaratra ka samy mihinana ny voa-poriporiny
kiriah
1009.
Vezo lahy mena maso ka tsy toaka akory fa voa-janahary
kiriah
1010.
zaza kamboty manara-drindrina ka mihaino resaka sa miandry mpitsetra
kiriah
1011.
Ny manapaka mora foana fa ny man-do fototra no sarotra
kiriah
1012.
ny resaka raha tsy atao foana ny mamerina azy no tsy efa
kiriah
1013.
antitra ampijoroana ohatrin ny anamalao lavitr olona
kiriah
1014.
miaka-midina ohatrin ny anaran-dRabe kely
kiriah
1015.
Lainga marivo tototra ka hehezin ny akoho tokan anaka
kiriah
1016.
ny adalan ny hafa ihomehezana fa ny an ny tena tafian-damba
kiriah
1017.
ny kibo noana tsy maha lavi-tany
kiriah
1018.
ny tiana mitombo tarehy
kiriah
1019.
Njola maso tsara vady ka matahotra ny tia tazatazana
kiriah
1020.
Ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka
kiriah
Voalohany
Mialoha
32
33
34
35
36
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0228