Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ahita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ahita
Hampiditra ohabolana
91.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
92.
Mahita loza Ikalamomba fa misambo-balala ho anjanak'olona.
jentilisa
93.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
94.
Ao anatin'ny mangidy no hahitana ny mamy
lotus
95.
Ny vava tsy ambina no ahitan-doza
hery
96.
Tsara raha mangetaheta ka mahita rano
hery
97.
Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso!
vale
98.
Aza atao filan-draha tsy mahita na fiatontana raha resy ny havanao.
jentilisa
99.
Mpitery mahita ny tohany ary mpirohy mahita ny traingony
jentilisa
100.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
101.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
102.
Lahiantitra manin-kavana : hitsinjo, tsy mahita, handeha tsy afaka
hery
103.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
104.
Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba hahita
McFy
105.
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
vale
106.
Tsy misy mahita kilema momba tena
Fanja1
107.
Mahita ny akanga tsara soratra ka hanary ny akoho taman-trano?
jentilisa
108.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
109.
Avo fijery Andriamanitra, ka mahita ny takona
eugene
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0954