Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ohatra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ohatra
Hampiditra ohabolana
91.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
92.
Misoko mangina ohatra ny ron-gisa
JMR
93.
Lany maina ohatra ny sakafon-doholona
McFy
94.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
95.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
96.
Aza mandrora olon-tsy maimbo, ka atao mangidy be fofona ohatra ny tongolo tapa-bilany
McFy
97.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa ra vaky, natao fanotrehana akoho
Fanja1
98.
Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena.
lanto
99.
Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato.
lanto
100.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
lanto
101.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo : raha fotorana iray ihany.
lanto
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1799