Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vôn
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vôn
Hampiditra ohabolana
91.
Raha manambady tsara tarehy dia tsy mahavondraka kisoa, satria variana mijery azy ny kisoa fa tsy mihinan-kanina
aivetinakely
92.
Aza manao voa mivonto an-kibo
niryna
93.
manambady lehilahy be vonto manahy ny andro ho hariva
pitiny
94.
Fitiavan-karena ka ny voninahitra ihany no milanja azy.
aivetinakely
95.
Ampigam-piharabolamena : ka raha mitraka vonihahitry ny lanitra, raha miondrika fahazavan’ny tany
ontsy
96.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
97.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
98.
Mandoa in-droa tahaka ilay marary vavony mankany amin'ny dokotera, ny aretina efa mampandoa, ny vola tsy maintsy haloa
Bocassa
99.
Aza manaiky be toy ny Tsaravoninahitra
niryna
100.
Malaza ho setroka nefa tsy mihoa-bovonana !
ontsy
101.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
102.
Ny rano no miady fidinana fa ny rivotra miady fiakarana; ny olombelona miady voninahitra.
aivetinakely
103.
Donak'afon'Analakely ka tonga dia any any ambovonany.
sylvoalias
104.
Kely saina sa tsy ary fanahy? Akoho no vonoina ka ilana famaky?
sylvoalias
105.
Kokokokon'akoho hoe ka tsy hanina hahavoky fa kosa voninahitra ifanomezana
sylvoalias
106.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina.
aivetinakely
107.
Aza mandihy tsy afa-tavony
niryna
108.
Maty izay vao hoe ra-malala, ny voninkazo eny an-tanan'ny olona tsara foana
niryna
109.
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy, fa ahazo voninahitra kosa ny manetry tena
niryna
110.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
111.
Aza atao fitia vatomamy, tiana ihany fa hanina sy levonina.
ilanto
112.
Toy ny tain'alika ka ny avo ihany no hivovonana.
niryna
113.
Mpaka kofehy nahazo mpangalatra, vonona amin'ny kofehy hamatorana azy.
niryna
114.
Donak'afon'Analakely avy hatrany dia any am-bovonana.
aivetinakely
115.
Sima mitsoka afo, ka ny lavenona no miavovona aloha.
aivetinakely
116.
Very anjevony tahaka ny tsifoky ny mpifàna.
aivetinakely
117.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina
aivetinakely
118.
Ny voninahitra omena an-tsobika, aza atao am-patam-bary.
aivetinakely
119.
Voninahitra omena ny tantely fa ny vomanga mba mamy ihany.
niryna
120.
Aza mandihy tsy afa-tavony.
niryna
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172