Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vôn
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vôn
Hampiditra ohabolana
61.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
62.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
63.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
64.
Tefy tanimanga ka aleo tovonana toy izay anesorana.
soanja
65.
Raty namehezan-kitay, ka miara-devona amin'ilay nofehezina.
soanja
66.
Tsintsina mitondra vonin-tenina ka izay eran'ny vava no entina.
soanja
67.
Ombalahy nihehy votry, ka kimavon'ny nataony.
soanja
68.
"Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy"
mpoon
69.
manalasala toy ny vady kely reny,hovonoina kely rahateo, avela am'zao basivava
tsiafa
70.
Tonga amin'ny ilana azy toy ny be vava miantso vonjeo
bobone
71.
Zaza vonto anatra, manao mbay lalana an-tsena.
aivetinakely
72.
Voarabe endriky ny saha, miandra voninahitry ny lanitra, miondrika fahazavan'ny tany.
aivetinakely
73.
Aza mifaninana amin'ny oron-tsaka, fa na an'arivony metatra aza mandre fofona foana.
aivetinakely
74.
Kabary am-panambadiana, raha mahay voninahitra lolohavina, raha tsy mahay tsiny mandra-maty.
aivetinakely
75.
Ny harena fanjonoam-behivavy, ny voninahitra famandrihan-dehilahy.
aivetinakely
76.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
77.
Voady natao tamin'ny fo, ka vonona hiaina azy ampitsikiana na mafy aza.
aivetinakely
78.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
79.
Na mitoetram-bitsika aza aho, mahay miara-monina amin'arivony.
aivetinakely
80.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
81.
Aza manao vono-moka
niryna
82.
Keliloha mitavona menaka ka safotra mbamin'ny handrina.
aivetinakely
83.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
84.
Nahita ny mamiratra ka nanadino ny andefomandry, nosavihin-doza ka vonjeo aho malala.
aivetinakely
85.
Izay tia voninahitra manary fihavanana, izay tia havana mahazo harena.
aivetinakely
86.
Zaza vonton'anatra ka manao mbay làlana an-tsena.
aivetinakely
87.
Very vola, very voninahitra
aivetinakely
88.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
89.
Miaina tsy misy fitiavana toy ny vonikazo tsymisy fofona
Blazao
90.
Voninkazo tsara saro-belomina ka mampisara-bady raha tsy mitandrina
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172