Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vôn
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vôn
Hampiditra ohabolana
31.
Keliray nahazo jiolahy : tano ity fa azoko ; vonjeo aho fa lasany
yveratsimb
32.
Aza atao fitia miharo avona
yveratsimb
33.
Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.
yveratsimb
34.
Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy.
niryna
35.
-Dedaka tonga rafozana, akoho iray no vonoina ka famaky no tadiavina
danbal
36.
Toy ny rano eny am-body vondrona ka tsy ilaozan'ny soa sy ny manan-jara.
soanja
37.
Fandrian'Ivonizongo: ka ny mitsilany no malalaka noho ny mihoririna.
soanja
38.
Andriambavy Vonizongo: mitafy jabo ka manao fehin-tongotra.
soanja
39.
Ny anankiray natao hoe " andevo namidy", ny anankiray natao hoe " nifindra fihinanana", ary ny anankiray natao hoe " andevo tsy fiompy"; ary ny anankiray natao hoe " andevon-drazana"
soanja
40.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
41.
Toy ny fanahin'andevo mandevona.
soanja
42.
Tsy atakalo , tsy amidy resy, toy ny andevon-drazana.
soanja
43.
Ny vitsy andevon'ny maro.
soanja
44.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
45.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
46.
Ny anivona tsy mila antsetra, ny mpilotra tsy ilana tahony, fa izay mikendry no mahavoa.
soanja
47.
Ny voatavon-tsira tsy enti-miantsena.
soanja
48.
Mpaka rofia nahazo jiolahy ka vonona ny kofehy hamatorana.
soanja
49.
Todian'ny ambora tsy nentina ka mivongika hazo tsy fantatra.
soanja
50.
Ny hazo mirona tsy mba lavon-drivotra.
soanja
51.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
52.
Trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
soanja
53.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
54.
Vongan-tany nentin-driaka, teo ihany fa levona.
soanja
55.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
56.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
57.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
58.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
59.
Tefy tanimanga ka aleo tovonana toy izay anesorana.
soanja
60.
Raty namehezan-kitay, ka miara-devona amin'ilay nofehezina.
soanja
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1447