Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alan
Hampiditra ohabolana
121.
Tombon-dalana ny lasa, fa lalan-kiarahana ihany.
niryna
122.
Voly vary mahalana ka ny atao no alaina.
aivetinakely
123.
Toy ny rivotra an-kadilalana;ny ho avy avy, ary ny tsy avy misesika ihany.
niryna
124.
Ny harena toy ny volon'orona ;kely alana maharary, be alana maharary
Moundzee
125.
fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany
latina
126.
Milomano mivalana (na miorika) ka manabe vava ny ony
latina
127.
Miady lalana imaso toy ny rarin'ny mpianatra
latina
128.
izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina
latina
129.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
130.
Mpamosavy nalevina an-dalana, ka ny valin-kitsaka no miverina
latina
131.
Ny adalan'ny hafa iomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba
latina
132.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
133.
Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
latina
134.
Tsy gny marary gny maty, fa gn'alan-janahary
SENATERA
135.
manalasala toy ny marary mahalany hanina
nalaina
136.
vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao
miara
137.
Aleo mamisavisa lalan-dratsy misy iviliana toy izay manantena lalan-tsara mandentika.
Onira
138.
Aleo halan'Andriana toy izay halam-bahoaka
herndi
139.
Soro-bilan'ny ngita volo, tsy soritra fa lalan-driaka
Gildas
140.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
141.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
142.
Ry iano ambaran'olo ty mahity, mamalan-kira avao
roscarb
143.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
144.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
145.
Ze misa valany feno ero
roscarb
146.
Zazalahy mianala, ny hazon'Andriana adino fa ny fanoto no lanjalanjaina
jentilisa
147.
ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manankarena halan'olona
zouzou
148.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
149.
Salasalany toy ny akotrilahy, arahabaina tsy andriana, avela miakanjo jaky.
mandrindra
150.
Aleo kapohina an-dalana toy izay resy an-kabary
jentilisa
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0378