Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe andry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
andry
Hampiditra ohabolana
121.
Ny vadin-joky kilalaon-jandry
JMR
122.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
123.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
124.
Aza manao didin'ny be sandry
JMR
125.
Aza mandaka amboa mandry
McFy
126.
Aza miandry mana hilatsaka avy any an-danitra
JMR
127.
Vadin-joky kilalaon-jandry
lotus
128.
Mahaiza manararaotra fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
JMR
129.
Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana ; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika
hery
130.
Donga zoky, fa botry zandry
hery
131.
Ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
hery
132.
Aza manao sioka mampandry adrisa
jentilisa
133.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'Ilaimora : ny aloha vaosafosafo ary ny aoriana voatehatehaka
hery
134.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
135.
Izandry no mody zoky, matahotra ny hitondra entana. Izoky no mody zandry, matahotra ny hikabary.
Avahi
136.
NY akoho no tsy naniry nify, tsy nahandry ny andro zoma
jentilisa
137.
Rafotsibe very laona ka miandry izay igadonany
jentilisa
138.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo; ka tsy ilaozan'izay mania
Fanja1
139.
Manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana
vale
140.
Ny zoky no tompon'ny teny ny zandry no tompon'ny entana
vale
141.
Tandremo fa ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
cielbleu
142.
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny ao aoriana tsy miantso
Avahi
143.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
144.
Aza dia miandry teza ho potraka
hery
145.
Didy maso tsara ondana, ka mandrimandry manana aretina.
hery
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0212