Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe andry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
andry
Hampiditra ohabolana
31.
Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazoana aina.
soanja
32.
Fanoto miankina amin'ny andry.
soanja
33.
Andry telo itoviana amin'olona.
soanja
34.
Safo sioka mampandry adrisa.
soanja
35.
zaza kamboty manara-drindrina ka mihaino resaka sa miandry mpitsetra
kiriah
36.
mahatra kely sandry itory kely vola hiady moramaty
turin
37.
Sasa-miandry tiana tsy voakarà ma, miaritra fa mbola babony.
aivetinakely
38.
zoky toavina tsy andriana, zandry manoa tsy andevo
bobone
39.
Aza mandrimandry manana aretina, fa fotory ny tena marina aminy.
aivetinakely
40.
Resaky ny mpiandry fody tsy idiran'ny mpiandry kisoa.
aivetinakely
41.
Tia taratra tahaka ny tovovavy matroka endrika, miandry ho sitrana isa-minitra.
aivetinakely
42.
Zandry tsy mahandry lova hatolotra ka mamosavy ny zoky tsy ampiheverana.
aivetinakely
43.
Vatokely antsisin-dalana, tsy miandry anao hitodika fa miantso anao hitandrina famindra.
aivetinakely
44.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
45.
Tia olona tsy tia ny tena, aoka hionona hiandry ny rariny.
aivetinakely
46.
Zatra niondan-tsandry ka mikohaka mionda-mololo
aivetinakely
47.
Mpamosavy tra-nenina fa ny vady nanafenan-javatra no lasa nody mandry aloha.
aivetinakely
48.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
49.
Nahita ny mamiratra ka nanadino ny andefomandry, nosavihin-doza ka vonjeo aho malala.
aivetinakely
50.
boka mangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
Raherizo
51.
Lakan-jila ka ahilangilan'ny rano, tsy fefika fa miandry ny anjara.
aivetinakely
52.
Ny ela nandeferana tsy mahandry ny ho farany
aivetinakely
53.
Aleo miandry fatin-drafozana, toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
54.
Aza miandry ho avara-pianarana vao handinika ny zavaboary.
aivetinakely
55.
Fitia anterisetra ka miandry ny andro hanoherany.
aivetinakely
56.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty
kanto1
57.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
kanto1
58.
Vao maika very fotoaana ireo izay tsy mahandry tantana
niryna
59.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
60.
Misy andro tokony hanginana, ary misy fotoana tokony hitenenana, toy ny katsaka ela nihantonana sy tsaramaso ela nihahazana, ka miandry ny fotoana hitsiriany.
aivetinakely
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.021