Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe eran
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
eran
Hampiditra ohabolana
121.
Tsy misy mangidy noho ny sakay fa rehefa teny ierana dia hanina
mandrindra
122.
teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana
jentilisa
123.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
124.
mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran'ny rambony
ramuscle
125.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
126.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
127.
Akohokely miambozona tady mahazaka ka mizaka ny tseran'ny aina.
fily
128.
Tsy misy hianteherana toa bozaka, tanora sakafon’ny omby, antitra sakafom-patana
Avahi
129.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana
McFy
130.
ny anateran-kira indray ve no milaza ho tsy mahay
jentilisa
131.
Tsy misy hianteherana toa bozaka; tanora, sakafon'ny omby; antitra, sakafom-patana
hery
132.
Toy ny mitari-drano ririnina : miala amin'izay nitoerany, fa tsy tonga amin'izay alehany
hery
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0225