Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe eran
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
eran
Hampiditra ohabolana
61.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
62.
Aza kivy ilaozan-tiana, fa iray lasa folo manontany toerana.
aivetinakely
63.
Fitia anterisetra ka miandry ny andro hanoherany.
aivetinakely
64.
Izay mitondra ny soavaly avo toerana dia mitondra azy hianjera avo dia avo
niryna
65.
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora sakafon ny omby; antitra sakafom patana
kanto1
66.
Aza avela ho tratry ny hatezerana akory ny andronao
niryna
67.
Faly sahirana tahaka ilay bevohoka nanao kamaban-telo, ny kibo nitoerana antonina ihany fa ny nono omena no tsy ampy
Bocassa
68.
voanemba mitsipika anjoro, tsy very fa maka toerana
tsonaneh
69.
KELY MIAMBOZONA ADIDY OHATRY NY SALAKA KA MIZAKA NY TSY HERAN'NY AINA
dadou
70.
Voanemba nipitika an-joro, tsy very fa maka toerana
elyzo
71.
Kely mandevim-be ka mizaka ny tsy eran'ny aina.
Rold
72.
Vato roa mifanila, ny lehibe tsy manome toerana, ny kely tsy mangataka afa-mangataka.
aivetinakely
73.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
74.
Rafotsibe naka erana, ny tsy hahazo ahina, ny tsy hahazaka ahina
zanakantitra
75.
Mihena an-toerana toa fen'antitra.
niryna
76.
Izay tia mahalefitra, fa nyfandeferana ela loatra mitarika fisarahana.
aivetinakely
77.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina.
aivetinakely
78.
Raha miady izaho sy ny azy, tsy aleon'ny naterany
niryna
79.
Ny mpanao ratsy dia miverina amin'ny toerana nanaovany ratsy ihany.
niryna
80.
Raha miady izay sy ny azy, tsy ahaleo ny naterany
niryna
81.
Mahantra te hotafita fianarana, koa ny vaky boky no sisa ianteherana.
ilanto
82.
Mamono biby an-davaka ka hifoteran'ny rambony
niryna
83.
Mihena antoerana toa fen'antitra, lany ampitoerana toa volan'adala.
niryna
84.
Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka toerana
rtol
85.
Tany ikafaran-kilevenana;vady tsy tian-kianterana
niryna
86.
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa, fa ny endry kosa manindry fo
niryna
87.
Ny fanontsakontsanana ny ronono no miteraka ranomandry.Ny fanolanana ny orona no miteraka ra;ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady
niryna
88.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
89.
Raha miady ny ahy sy ny azy, tsy naleon'ny naterany.
niryna
90.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina
aivetinakely
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179