Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe eran
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
eran
Hampiditra ohabolana
31.
Rangahibe naka rafy, ka mampitondra ny tsy eran'ny aina!
sejianis
32.
Arakaraky ny fandrosoan'ny fahaterana no ahafantarana fa ny fahatsorampo no fahasambarana indrindra
niryna
33.
Tsitsihy agnabo, trandraka ambonin'ny tany; volam-pagnierana tsy mba ratsy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
34.
Benalika no niongo-kerana, ka Isamboranto no miempa-tanana.
soanja
35.
Toy ny sahondra ambony vato, ka endrik'izay itoerany.
soanja
36.
Andevolahy maty vady; sikajy latsaka erany no azy, ka "lanio izay ho lany!"
soanja
37.
Ny tsiny HADY lalina tsiriana maha-fanina, ianjeràna maha-faty
kiriah
38.
Vato atora-pody ka tsy ijerana vary miraraka.
soanja
39.
Fotsimbary an-karon-kerana, ka izay naleha, nipetrahany avokoa.
soanja
40.
Toy ny herana ka mitomany handratra ny hafa.
soanja
41.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
42.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
43.
Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy.
soanja
44.
Tsintsina mitondra vonin-tenina ka izay eran'ny vava no entina.
soanja
45.
Voanemba mitsipika an-joro ,tsy very fa maka toerana .
niryna
46.
Vitam-boka ka tsy azo ianteherana.
Razatovo
47.
Ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay.
walte
48.
Aza manao fahateran'alika ka antitra vao mihagaigy!
farihy
49.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
50.
Raha vao miakatra ny fahatezerana, dia saintsaino ny vokany
niryna
51.
Tsara toerana tahaka ny tantely, fomba fiteny avy ka nahazoam-boninahitra.
aivetinakely
52.
Fom-behivavy ratsiana anaka, tsy fantatra na sangy na hatezerana.
aivetinakely
53.
Zandry tsy mahandry lova hatolotra ka mamosavy ny zoky tsy ampiheverana.
aivetinakely
54.
Vato atao fototra trano, tsy ny hatsarà ny ihany no kendrena fa ny toerana niaviany.
aivetinakely
55.
Raha miady izahay sy ny azy tsy aleon'ny naterany
niryna
56.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fideràna bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
57.
Bingo manao mantso ka misalovana ny anjara toeran'ny sasany.
aivetinakely
58.
Hambompo manan-toerana fa ny zaza tsy azo ariana.
aivetinakely
59.
Ny ela nandeferana tsy mahandry ny ho farany
aivetinakely
60.
Rafozan-tsarotiny ka mibaby heloka amin'ny androm-pahanterana.
aivetinakely
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0368