Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hazo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hazo
Hampiditra ohabolana
121.
Rafotsibe naka herana manahy ny tsy hazaka, manahy ny tsy hahazo
gotsolahy
122.
Hazo tokana tsy mba ala
avld
123.
Aza atao toy ny sotrobe hazo ka hita tsy mahafaly, very tsy mampalahelo
naritsimba
124.
Aza atao toy ny sotro be hazo ny vady, ka hita tsy mahafaly very tsy mampalahelo
naritsimba
125.
Tanora mamboly hazo, antitra manan-kialofana
herikely
126.
mpanankarena manjono ka tsy mahazo naman'ny vonona ary raha mahazo atao fanampin-daoka
rindraintsoa
127.
Vitsika nahazo valala: zakan'ny aina, fa tsy omby ny vava.
soanja
128.
Ny fasana miandry mahazo, ny olona miandry tsy fidiny
mbelo
129.
Faly sahirana tahaka ny masikiny nahazo katsaka, ny kibo voky eo ihany fa ny lakatim_bava no vizana
bobone
130.
ny fasana hono miandry mahazo, ny olombelona miandry tsy fidiny
mbelo
131.
Ny hazo no voatoratoraka dia noho ny voany
marozevo
132.
Tanora mamboly hazo, antitra misy ialofana
tovolahy007
133.
Le andeso mberoa ty raha mahazo anao tsy hifindra amiko
roscarb
134.
Mamo mananiky hazo, mila fahasahirana!
roscarb
135.
Maro ty hazo an'ala any fa fosiky io avao ro mamy
roscarb
136.
Namintana amalona nahazo do, samy vandambandana fa tsy izy
Viky
137.
Zazalahy mianala, ny hazon'Andriana adino fa ny fanoto no lanjalanjaina
jentilisa
138.
Ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manankarena halan'olona
zouzou
139.
Rafotsibe naka harena ; hidina toa tsy hahazo, nahazo toa tsy mahazaka
zouzou
140.
Sokatra ilatsaham-baratra, henoy izany ry hazon-damosina
hery
141.
Mpandihy lava volo-kelika, mahay mahazo tsiny tsy mahay mahazo tsiny
doum
142.
mangahazo malemy; mangidy atelina ka ho hanina amin'ny halemem-panahy.
RfandresenaA
143.
Ny manan-dray no anarina ka ny kamboty no mahazo aloha.
jentilisa
144.
Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
jentilisa
145.
Ny mitera-dahy mahazo mpanapaka angady, ny mitera-bavy mahazo mpamaky siny
JMR
146.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana
JMR
147.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
148.
Aza manao senegaly mahazo baiko
hery
149.
Maro ihany ny hazo, fa ny fary no mamy
hery
150.
Andevolahy namosavy tompo, nahazo hena indray manokona fa tapa-taona miongo-bolo ihany.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0862