Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mena
Hampiditra ohabolana
121.
Tsy mety raha tsy mena-milahatra toy ny nify sosona
zouzou
122.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
123.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
124.
Aza homena ho an'ny kisoa ny vatoasoa -nareo
doum
125.
Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra
doum
126.
tsy menatry ny handositra tahaka ny kary
jentilisa
127.
Very maina toy ny menaka nahoso-bato.
jentilisa
128.
Ny tany mena tsy mirehitra
JMR
129.
Tsy mena-mivadika hoatran'ny mpanao pĂ´litika
JMR
130.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
131.
Tongom-bakivaky sady mahamenatra no maharary
JMR
132.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
133.
Izay mahasahy maty no mifono lambamena
JMR
134.
Sady maharary no mahamenatra hoatran'ny vay an-kandrina
JMR
135.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
136.
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
137.
Omena mody voky, kanefa mangala-pihinana ihany
hery
138.
Leon-drakena, ka ny tany mena avy no andosirana
jentilisa
139.
Hafahafa toa sifotra ka ny tamenany indray no ariana
jentilisa
140.
Omena mody voky kanefa mangala-pihinana ihany
McFy
141.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra
Vetso
142.
Volamena latska am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
jentilisa
143.
Aleo maty toy izay menatra
McFy
144.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany
McFy
145.
Izay sahy maty mifono lambamena
jentilisa
146.
Izay mena valala, izay tiana malala
jentilisa
147.
Nify samy fotsy, ra samy mena
jentilisa
148.
Izay mena valala izay tiana malala
vale
149.
Tsy mena-mivadika toa andro ririnina
vale
Voalohany
Mialoha
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0173