Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
1621.
Aza mifaninana amin'ny oron-tsaka, fa na an'arivony metatra aza mandre fofona foana.
aivetinakely
1622.
Mpandihy lava volon-kelika, mahay mahazo tsiny, tsy mahay mahazo fosa.
aivetinakely
1623.
Safidin-jazakely, ny marevaka ihany no mahasarika.
aivetinakely
1624.
Kabary am-panambadiana, raha mahay voninahitra lolohavina, raha tsy mahay tsiny mandra-maty.
aivetinakely
1625.
Manan-kasina ny tanindrazana ka mahasify raha amidy.
aivetinakely
1626.
Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka.
aivetinakely
1627.
Zandry tsy mahandry lova hatolotra ka mamosavy ny zoky tsy ampiheverana.
aivetinakely
1628.
Zaza tia lalao afo ka ny andrana ataony ihany no mahahendry azy.
aivetinakely
1629.
zazakely manina ka any an-doha no manetsetra.
aivetinakely
1630.
Ny harena fanjonoam-behivavy, ny voninahitra famandrihan-dehilahy.
aivetinakely
1631.
Mpamitaka tahaka ny lehilahy te-hampirafy, milaza tsy manana kanefa efa folo anaka.
aivetinakely
1632.
Voangaly tsy maty amin'ny hazo tokana ny aty, ka mahita foana vao mivoaka ny trano.
aivetinakely
1633.
Raha ianao hiditra amin'i Mangamalefaka, izaho hiantrano amin'ny Tsimiolakolaka.
aivetinakely
1634.
Aza mirify amin'ny fampatahorana fa samy miaina amin'ny orony.
aivetinakely
1635.
Saka voahitsa-drambo, tsy vitan'ny hoe mikonaina fa mahay mimpirina amin'ny sisa.
aivetinakely
1636.
Mijaingijaingy tahaka ny rafozana voalatsa.
aivetinakely
1637.
Misosososo tahaka ny vinanto tsy mahare fosa.
aivetinakely
1638.
Vady notoloram-pahefà na, ka manitsa-boninahitry ny rafozana.
aivetinakely
1639.
Manary vady tanora, tsy kakerin'ny nenina fotsiny fa mandraiki-marary isaky ny mahita azy.
aivetinakely
1640.
Mpivady tsy mifandefitra, tsy vitan'ny rava harena, fa mbola mampisotry zaza.
aivetinakely
1641.
Tsiambaratelon'adala, izy ihany no fanalahidiny.
aivetinakely
1642.
Safidin'adala, hafa ny anio, miova rahampitso.
aivetinakely
1643.
Alika mahia, sady tsy mahavita adidy no manala baràka ny tompony
aivetinakely
1644.
Vato atao fototra trano, tsy ny hatsarà ny ihany no kendrena fa ny toerana niaviany.
aivetinakely
1645.
Vato borobory mikodia, tsy hafainganam-pandeha fa fitadiavana tany marin-drano.
aivetinakely
1646.
Vatobe hobataina, ny ôsika ihany no mampalaky azy.
aivetinakely
1647.
Ataovy toy ny vato andohampasana ka na kely aza manan-kasina.
aivetinakely
1648.
Efa lany rambo toy ny jono indray alina
niryna
1649.
Ny mpamendrofendro no betsaka fa ny tompony mahazaka ihany
niryna
1650.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena kosa tafian-damba
niryna
Voalohany
Mialoha
53
54
55
56
57
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0451