Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
1651.
Aza manjaitra atody vaky na mamaky akotry ka mitady tombony vao maika an-tombony
niryna
1652.
Atoraka indroa, ohatran'ny mpinona an-tanan-doza
niryna
1653.
Azo homamaina toy ny tsofaben'Andohalo
niryna
1654.
Tsy mba vorombazaha na akanga amidy aho ka entina amin'ny sangany
niryna
1655.
Tsy mitsahi-tsy andempona toy ny vato mikodiadia
niryna
1656.
Toy ny landim-boatavo ny olombelona ka raha fotorana iray ihany
niryna
1657.
Maro amin'ny tantely no maty ao anatin'ny tanteliny
niryna
1658.
Ny fahendrena manalavitra ny famboniantena
niryna
1659.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
1660.
Namboarina nitovy ny olona fa ny faniriana ao anaty no tsy itovizany
niryna
1661.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
1662.
Mahafinaritra ny mijery ny tongotra mandia amin'ny tany kanefa aza adino ny mamindra
niryna
1663.
Izay be famaritra ihany no voafaritra.
niryna
1664.
Ny olona mety manahy izay teneninao fa mino kosa izy izay ataonao
niryna
1665.
Famindrana indray mandeha no niandohan'ny dia an-jatony maro
niryna
1666.
Tsy ampihova na inona na inona ny mipetraka fotsiny raha tsy manao hetsika
niryna
1667.
Mora ny miteny fa sarotra ny mamita hafatra
niryna
1668.
Tsy hampiova na inona na inona ny resaka raha tsy atao amin'ny fihetsika
niryna
1669.
Fantatra amin'ny fihetsiny ny toetrany
niryna
1670.
Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may
niryna
1671.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray mihodina ihany
niryna
1672.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
1673.
Ny tia mody mamilafila, fa ny tsy tia mitady kendritohina.
aivetinakely
1674.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
1675.
Hifidy ihany ka tsy haka ny mahafampo.
aivetinakely
1676.
Ny tsara vintana no midera anjara, fa ny ratsy kosa mifia-dranomaso.
aivetinakely
1677.
Ny hafaliana tsy ahombiazana, te-handihy foana mandritry ny andro.
aivetinakely
1678.
Kamo be tenda ka mahatonga ny mpialo ho sain-kanina.
aivetinakely
1679.
Raha ianao vatokely manafintohina, ny aty vatolampy ampy handihizan'ny varatra.
aivetinakely
1680.
Ny àmbany no tsy tanty fa rehefa mihatra zaka ihany.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
54
55
56
57
58
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0949