Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
1711.
Atoraka indroa, ohatran'ny mpinona an-tanan-doza
niryna
1712.
Azo homamaina toy ny tsofaben'Andohalo
niryna
1713.
Tsy mba vorombazaha na akanga amidy aho ka entina amin'ny sangany
niryna
1714.
Tsy mitsahi-tsy andempona toy ny vato mikodiadia
niryna
1715.
Toy ny landim-boatavo ny olombelona ka raha fotorana iray ihany
niryna
1716.
Maro amin'ny tantely no maty ao anatin'ny tanteliny
niryna
1717.
Ny fahendrena manalavitra ny famboniantena
niryna
1718.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
1719.
Namboarina nitovy ny olona fa ny faniriana ao anaty no tsy itovizany
niryna
1720.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
1721.
Mahafinaritra ny mijery ny tongotra mandia amin'ny tany kanefa aza adino ny mamindra
niryna
1722.
Izay be famaritra ihany no voafaritra.
niryna
1723.
Ny olona mety manahy izay teneninao fa mino kosa izy izay ataonao
niryna
1724.
Famindrana indray mandeha no niandohan'ny dia an-jatony maro
niryna
1725.
Tsy ampihova na inona na inona ny mipetraka fotsiny raha tsy manao hetsika
niryna
1726.
Mora ny miteny fa sarotra ny mamita hafatra
niryna
1727.
Tsy hampiova na inona na inona ny resaka raha tsy atao amin'ny fihetsika
niryna
1728.
Fantatra amin'ny fihetsiny ny toetrany
niryna
1729.
Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may
niryna
1730.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray mihodina ihany
niryna
1731.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
1732.
Ny tia mody mamilafila, fa ny tsy tia mitady kendritohina.
aivetinakely
1733.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
1734.
Hifidy ihany ka tsy haka ny mahafampo.
aivetinakely
1735.
Ny tsara vintana no midera anjara, fa ny ratsy kosa mifia-dranomaso.
aivetinakely
1736.
Ny hafaliana tsy ahombiazana, te-handihy foana mandritry ny andro.
aivetinakely
1737.
Kamo be tenda ka mahatonga ny mpialo ho sain-kanina.
aivetinakely
1738.
Raha ianao vatokely manafintohina, ny aty vatolampy ampy handihizan'ny varatra.
aivetinakely
1739.
Ny àmbany no tsy tanty fa rehefa mihatra zaka ihany.
aivetinakely
1740.
Eny Itôsy no mamahana alika ka aty Andranolalina no mitady hanina.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
56
57
58
59
60
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0412