Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsara
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsara
Hampiditra ohabolana
181.
Tsaramaso mitsipika anjoro tsy aiza fa miverina amin'ny toerany
doum
182.
Hamidio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara
doum
183.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
doum
184.
Tsy ny namanao no hifaninanao fa ny tsara vitanao anio
doum
185.
Petak'orona tsara tarehy ka voatondro iray no tsininy
doum
186.
Tsara tarehy petak'orona, voatondro iray monja no tsininy.
jentilisa
187.
Lasa ny kipkipy zato vao tonga ny voron-tsara dia
jentilisa
188.
Ny lainga toy ny nify maharary ka ny esorina no mahatsara azy
JMR
189.
Maromaroa ny fiteraka fa tsy hilaozan'izay ho tsara.
jentilisa
190.
Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
jentilisa
191.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
192.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
193.
Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
JMR
194.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
195.
Tsara raha mangetaheta ka mahita rano
hery
196.
Mihevera tsara fa ny andro iray no tsy tanty
jentilisa
197.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
198.
Aza dongidongy miendrika androngo, la mandany ny tsaramasom-bahoaka
McFy
199.
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
200.
Ratsaramiangola no lena fividy kitay ka Rabozimanga no didi-maso amin'ny setroka.
jentilisa
201.
Nify lanin'ny olitra ka alana no mahatsara azy
ftma
202.
Mahita ny akanga tsara soratra ka hanary ny akoho taman-trano?
jentilisa
203.
Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony.
jentilisa
204.
Ny marina miraviravy tsy maharesy ny lainga tsara lahatra
chipie1
205.
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Fanja1
206.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
207.
Didy maso tsara ondana, ka mandrimandry manana aretina.
hery
Voalohany
Mialoha
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0195