Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2101.
Tanàn-kavia sy havanana, izay didia-maharary
ikalamako
2102.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina.
aivetinakely
2103.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
2104.
Vita ho azy tahaka ny karatr'i Naivo, i Naivo tsy nanatitra, ny fanjakàna tsy nitaky.
aivetinakely
2105.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy.
niryna
2106.
Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
niryna
2107.
Aza mitsipa-doha laka nitana
niryna
2108.
Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
niryna
2109.
Ny nenina tsy ao aloha fa aoriana
niryna
2110.
Tombon-dalana ny lasa, fa lalan-kiarahana ihany.
niryna
2111.
Atao teri-omby ririnina tsy ahaosa ny reniny, tsy ahafaty ny zanany
niryna
2112.
Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina.
niryna
2113.
Ny fay sy ny tamana dia iray ihany.
niryna
2114.
Boka mivavaka, Andriamanitra angatahana indray no ambanana totohondry
katafi
2115.
ny vehivavy dia tokam-po tahaka ny siny, tsy manampo afa-tsy rano.
aivetinakely
2116.
Manaova toy ny fanirin'akondro, ny lehibe manalokaloka ny kely, ny kely manotrona ny lehibe.
aivetinakely
2117.
Dian'omby an-koraka, ka izay ombàn'ny tànany no diavin'ny tongony.
aivetinakely
2118.
Zanahary nanao ny voay, tsy izay hahatsara azy fa izay hampateza azy ihany.
aivetinakely
2119.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
2120.
Akoholahy mikokokoko akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana.
aivetinakely
2121.
Na maika tahaka ny inona aza dia tsy fanao ny mitetika ravitoto.
aivetinakely
2122.
Tsy mihaona tia betrobetroka toa vorontsiloza, na mifandray tia harikarika toa tanalahy.
aivetinakely
2123.
Hazo an-kadilànana ka tenain-drivotra irery.
aivetinakely
2124.
Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
2125.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
2126.
Zara hetra ny fahafatesana ka samy mandray ny anjarany.
aivetinakely
2127.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona
aivetinakely
2128.
Voly vary mahalana ka ny atao no alaina.
aivetinakely
2129.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
2130.
Ganagana mitety bainga, ny tratra mangana ny hanina tsy azo.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
69
70
71
72
73
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0243