Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2161.
Manaova toy ny vary, tsy vitan'ny efa mijoro fa miondrika koa maka saina
aivetinakely
2162.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany
aivetinakely
2163.
Misotro rano antanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
aivetinakely
2164.
mamy ny atsy fy ny aroa, tiana ho azo daholo izay hita hany ka hadino ny antsipirian'ny tena fiainana momba ny tena
ikoto
2165.
be famaritra toy ny rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana nefa ny vody kakerin'ny moka tsy hita
ikoto
2166.
fandrotranana an-tanana haolo ka misolo ny anaran-dray tsy satry
ikoto
2167.
Aza manao fahanteran'amboa ka antitra vao misary gaigy
raiders
2168.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
2169.
Ny kianja no tsy anaovan-dratsy ny lalao mbola ho ela.
lanto
2170.
Velezo ny vy dieny mbola mafana.
niryna
2171.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
2172.
Izay tiana mitombo tarehy.
niryna
2173.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
2174.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
niryna
2175.
Aza manao sotrobe lava-tango
niryna
2176.
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha.
niryna
2177.
Izay tiana hono mitombo tarehy.
niryna
2178.
Aza mitomany randrana manendrika ny sasany
niryna
2179.
Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho.Henatra fa tsy hanatra.
niryna
2180.
Aza be anatra imaso, fa be fosa ivoho.
niryna
2181.
Mpanelanelana sarotra toa tatamo
niryna
2182.
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
2183.
Raha tiana ny vady, ny ravozana no tsinjovi-mandefitra
niryna
2184.
Aza manao ranomaso afefy heloka.
niryna
2185.
Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
niryna
2186.
Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
niryna
2187.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
2188.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
2189.
Tsy mena-tsy tana toa lakan-jejo
niryna
2190.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
Voalohany
Mialoha
71
72
73
74
75
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1981