Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2161.
Fihavanan-takatra, faly miara-mitokàka, malahelo miara-mitokiky
aivetinakely
2162.
Ny tarehy no andRahiratra, fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
2163.
Aza manao tahaka ny ranon'Ikopa, tonga namana vao mavomavo.
aivetinakely
2164.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
aivetinakely
2165.
Tatamo iray farihy, faly miara-manatrika, tezitra miara-mihodina
aivetinakely
2166.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka
aivetinakely
2167.
Manaova toy ny vary, tsy vitan'ny efa mijoro fa miondrika koa maka saina
aivetinakely
2168.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany
aivetinakely
2169.
Misotro rano antanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
aivetinakely
2170.
mamy ny atsy fy ny aroa, tiana ho azo daholo izay hita hany ka hadino ny antsipirian'ny tena fiainana momba ny tena
ikoto
2171.
be famaritra toy ny rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana nefa ny vody kakerin'ny moka tsy hita
ikoto
2172.
fandrotranana an-tanana haolo ka misolo ny anaran-dray tsy satry
ikoto
2173.
Aza manao fahanteran'amboa ka antitra vao misary gaigy
raiders
2174.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
2175.
Ny kianja no tsy anaovan-dratsy ny lalao mbola ho ela.
lanto
2176.
Velezo ny vy dieny mbola mafana.
niryna
2177.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
2178.
Izay tiana mitombo tarehy.
niryna
2179.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
2180.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
niryna
2181.
Aza manao sotrobe lava-tango
niryna
2182.
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha.
niryna
2183.
Izay tiana hono mitombo tarehy.
niryna
2184.
Aza mitomany randrana manendrika ny sasany
niryna
2185.
Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho.Henatra fa tsy hanatra.
niryna
2186.
Aza be anatra imaso, fa be fosa ivoho.
niryna
2187.
Mpanelanelana sarotra toa tatamo
niryna
2188.
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
2189.
Raha tiana ny vady, ny ravozana no tsinjovi-mandefitra
niryna
2190.
Aza manao ranomaso afefy heloka.
niryna
Voalohany
Mialoha
71
72
73
74
75
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0242