Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2221.
Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
niryna
2222.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana.
niryna
2223.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
niryna
2224.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
2225.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
2226.
Aza manao boloky lahy homam-boatsieva, mamy ny atsy, fy ny aroa.
Aotsara
2227.
fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
jolie
2228.
Nyfihavanan'ny mamoladahy:tsy mivahana roa taona.
niryna
2229.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
2230.
Ny harena toy ny volon'orona ;kely alana maharary, be alana maharary
Moundzee
2231.
Ny lasa toy ny vozon'akanjo hitodihan-tsy hita nefa manaragarana aoriana ihany
Dadamaintso
2232.
Toy ny irai-tampo samy hafa ray, ka samy manana ny azy
latina
2233.
Renikoto no fangalarina, rainikoto no ahombiazana.
latina
2234.
Ny ray no mihosim-potaka ka ny zanany no vazina
latina
2235.
zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
latina
2236.
Aoka! fa ny renikely no mpanana adidy
latina
2237.
Renikely mandoza: samy zanany ihany ka iangarany
latina
2238.
aza manao hoe: tombo Ifaralahy, fa naterako
latina
2239.
Zanaka velon-kalina, ka ny am-pony hafa, ny am-poko hafa.
latina
2240.
Mahita loza Ikalamomba, fa misambo-balala ho anjanak'olona
latina
2241.
angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray
latina
2242.
Ohatry ny momba: tsy misy manao azy reny
latina
2243.
toy ny momba: noana, tsy manan-kangatahana, voky tsy manan-kotolorana
latina
2244.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
latina
2245.
Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
latina
2246.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
latina
2247.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
latina
2248.
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza
latina
2249.
aza lozabe manan'anaka sao tsy manan-dray ny zaza.
latina
2250.
Matahotra ny hisaorana ianao ka mitady ny fanotrehan'atody
latina
Voalohany
Mialoha
73
74
75
76
77
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0257