Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
2611.
Aza mitono tena tahaka ny lolofotsy.
aivetinakely
2612.
Tantely amam-bahona ny fiainana.
aivetinakely
2613.
Raha sery vitan'ny anamalaho, aza amonoana vatotr'akoho.
aivetinakely
2614.
Aza mifanipaka anatiny tahaka ny valala an-karona.
aivetinakely
2615.
Nahita ny akanga tsara soratra ka nanary ny akoho tamàn-trano
aivetinakely
2616.
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho.
aivetinakely
2617.
Aza manao toy ny veromanitra, mangiloilo fa mora tapaka.
aivetinakely
2618.
Tantely afa-drakotra ka anjakàn'ny adala.
aivetinakely
2619.
Aza miafina nefa misy mahita, toy ny mpamosavy mandeha alina
anahely
2620.
Manaova toy ny rano sy vary, ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao
anahely
2621.
Manararaotra sahala amin'ny banga mihomehy alina
anahely
2622.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba.
aivetinakely
2623.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
2624.
Manaova tahaka ny tsintsina, kely ihany fa mitombandahy.
aivetinakely
2625.
Mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha.
aivetinakely
2626.
Aza matoky saka fa trondro ny laoka.
aivetinakely
2627.
Mpamosavy namosavy boka, matin'ny olon-dratsy ny olon-tsivanona
niryna
2628.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka.
niryna
2629.
Mody milaza tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany.
niryna
2630.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
niryna
2631.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa handriko ihany
niryna
2632.
Mpamosavy namosavy boka, ka natin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
niryna
2633.
Toy ny sikidy saka:ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa
niryna
2634.
Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
niryna
2635.
Velona iray trano, maty iray fasana toy ny olombelona
niryna
2636.
Mimonomonona hoatra ny lalitra, miriorio hoatra ny angidina
niryna
2637.
Raha miady ny ahy sy ny azy, tsy naleon'ny naterany.
niryna
2638.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
2639.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
2640.
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy;raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty.
niryna
Voalohany
Mialoha
86
87
88
89
90
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1324