Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe loha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
loha
Hampiditra ohabolana
241.
lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vazoka
ftma
242.
Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao hanaikitra ny tena.
naritsimba
243.
Sola mangery diavolana tsy fantatra izay lohany sy vodiny.
fily
244.
Tsemboka alohan'ny mpihevoka
doum
245.
Mahita volana alohan'ny biby
doum
246.
Hianao handrandrana indray ve no hanafenana loha sola.
doum
247.
Mpamosavy malemy lohalika ka ny ao antrano ihany no asina
doum
248.
Aleo mandina toy ny laferana toy izay kimavoka toy ny lohalika
doum
249.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
250.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
251.
Vary lena voatoto ka samy te-ho lohany
jentilisa
252.
Danik'andro mamaky loha sola
JMR
253.
May loha tsy mba mihinana tahaka ny takotra
jentilisa
254.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
255.
Ny manan-dray no anarina ka ny kamboty no mahazo aloha.
jentilisa
256.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
257.
manjai-tsarotro lohataona hialofana raha fahavaratra.
jentilisa
258.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
259.
Aza sarotiny alohan'ny tompony
JMR
260.
Aza sarotiny alohan\'ny tompony
JMR
261.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
262.
Dian'aomby maro tagnana ny dian'ny aloha arahiny afara
zanita
263.
Ny natao handrandrana ve no hanafenana loha sola?
jentilisa
264.
Aza tsemboka alohan'ny mievoka
JMR
265.
Izay tonga aloha no tompon-tanindrazana
JMR
266.
Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay iray hamarara
JMR
267.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra izay lohany sy vodiny
JMR
268.
Te hanana ny lohany nefa matahotra ny masony
JMR
269.
Aza miloloha rano roa siny
JMR
270.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
Voalohany
Mialoha
7
8
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.019